Menu

Apr 29, 2016

Ny Tontolo Manontolo

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 29/04/2016 15:29

https://www.youtube.com/watch?v=BdWuU-epZ6c


Eo izany isika izao.




Inona ny ifandraisan'ny Astrolojia sy Astronomia. 

Ara-pamaritana dia :

- Astrology is the study of the movements and relative positions of celestial objects as a means for divining information about human affairs and terrestrial events.

- Astronomy is the scientific study of the universe and the objects in it, including stars, planets, nebulae, and galaxies. Astronomy deals with the position, size, motion, composition, energy, and evolution of celestial objects.

Marina fa samy mandinidinika ny kintana sy izay vainga "any ambony any" izy roaroa ireo, fa ny Astrolojia dia mamorona, manampy ka mampisy dikany "masina" (asan'Andriamanitra na koa mazia-mazia) ny fipetraky ny kintana "any ambony any", ary ampifandraisiny @ fiainan'ny olona "ety ambany ety an-tany", ary tsipihina mazava fa izany dia mifototra @ Finoana.

Ny Astronomia, @ maha-Siansa azy (fa tsy Finoana), dia tsy mampifandray izay misy "any ambony any" sy ny amintsika "ety ambany ety", satria moa, taratry ny (tsy-)fahalalana ity "any ambony" sy "ety ambany" izany.

Ivereno indray ilay youtube video "io ambony io" manazavazava ny tontolo manontolo "hatrety ambany ety" 


Apr 20, 2016

Ny sakafo sy ny filàna

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Resa-Behivavy ao @ Serasera

rhaj0 - 20/04/2016 16:39
Izao indray no reko farany...

Ny vatana dia mila sakafo hamenoana ireto filàna
1- filàna enerzetika : mila angôvo ny vatana.. io dia alaina any @ siramamy sy ny matavy sy ny sisa.
2- filàna nutritionely : mila raha ny sela sy ny hozatra sns... io dia alaina any @ piroteina sy ny mineraly sy ny sisa.

Fa ity izao nasiany fanin-3
3- filàna emosionely...

Izany hoe, ny filàna emosionely dia ho fenoin'ny sakafo.

Ka dia normal be mihintsy ianao, rahefa sorendrena iny, dia te-hihinana sôkôla, na rahefa te-hifalifaly, dia te-hihinana fen'akoho.
Toa ny hoe, rahefa hanao fanantajahan-tena iny ianao, ka hihazakazaka lavitr'ezaka, dia mahafantatra fa mila mihinana pasta (hanome angovo); na hoe hanabokona hozatra, dia mila provandy (hanome piroteina).


Ka dia eo hono izany isika izao.


Fa ny zava-misy aloha h@ izao, dia mbola tsy voafaritra ny habetsahana (quantification). Ohatra anefa, ny Dietetisiana mikarakara ny mpanao baolina na mpanao boksa, dia efa mahafantra ny habetsahana ilain'ny vatana raha hanao ity fanantanjahan-tena.

Fa mbola tsy tonga any @ fahalalana hoe, mila sôkôla firy vao afaka ilay sorendrena 

rhaj0 - 20/04/2016 18:10
Ka ny nametrahako an'ity aty @ resa-behivavy, dia hoe...

ka raha renim-pianakaviana mikarakara ny ankizy ao, dia aza mba masiatsiaka izany ee.. na ohatra hoe, mahatsiaro meloka ianao fa manome sôkôla rahefa tia hanambitamby.

Dia ianao andriambavilanitra te-hahia lava ao koa, dia... mety hoe, mety hampatavy ny vatana ny sôkôla, fanefa kôpy ianao izany fa "mila sôkôla" ilay vatana rahefa sorendrena ny fo aman-tsaina eee .. 

Io dia atao fampitaha @ hoe, kôpy ianao fa mila provandy raha te-hanabokona hozatra.

Fa ny hany sisa ilaina fantarina izany dia ny habetsahana.


Ka io hono mbola samy tsisy mahalala, fa ny hany azo atao, dia hoe

- raiso ny sôkôla, ary dia hankafizo, izany hoe mila mahatsapa-saina (consciente) tsara ianao mihinana ny sôkôla, fa tsy hoe, sady mijery fahita-lavitra dia misesika ao... (izay ilay mampatavy).

- tsy voatery ho sôkôla koa anie no manala fahasorenana eee.. @ ankapobeny, dia io dia samy manana ny antsoin'ny aty hoe "comfort food".. sakafo manafana fo izany eee... Mety hoe ovy endasina sy fromazy, mety hoe gatô, mety hoe voamadilo sy sakay 

rhaj0 - 20/04/2016 18:42
Ka io izany dia hoe, raha tsy mihinana sôkôla ianao rahefa manana olana emosionely, na hoe tsy ampy sôkôla, dia.. raha atao fampitaha @ filànao mineraly sy vitamina ohatra, dia rahefa tsy mihinana izany ianao dia hisamboaravoara (déséquilibré) ny vatana.

Fa raha mihinana be loatra koa moa izany, dia.. raha atao fampitaha @ filànao angôvo, ka hihinanao siramamy (sy kaloria), dia ... lasa matavy izany eee...


Io k'lou ny teoria vaovao reko, fa dia samia ... mitsakotsako 


Apr 6, 2016

Bokin'ny Apokalipsy

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 06/04/2016 14:27
Ny bokin'ny Apokalipsa moa no ifotoran'ny fi(s)ainanao ao ry RBNIR...

Dia io ho'a, mba mivoaha kely aloha @ ilay box-kely, dia vakivakio ny lazain'ny mpandinika ny @ io Boky io.. Ary jereo tsara fa Kristiana namanao ihany no mamahabaha, ngo dia lazaina fa ny tsy-mpino indray no mandoto rano eo.
http://lmgtfy.com/?q=book+of+revelation+criticism
- the Book of Revelation has always been more politics than prophecy..
- ... views of critics who deny any spiritual value to Revelation at all...
- The Book of Revelation has terrified and confused readers...
- The book of Revelation has also been used by many religious fanatics, who ....
- Was the Book of Revelation based on Real Visions OR was it just a fake literary...




Dia araho tsara ny tantara sy jeogirafia t@ nanoratana io Boky io..

http://www.pbs.org/wgbh/pages/frontline/shows/apocalypse/revelation/white.html
The Book of Revelation was written sometime around 96 CE in Asia Minor. The author was probably a Christian from Ephesus known as "John the Elder." (..) It was Titus who led the siege and destruction of Jerusalem in 70 CE. When Vespasian died in 79 CE, Titus became the next Emperor... That the "beast from the sea" is the Emperor himself is made clear in a later passage in Rev. 17...


Dia eritrereto tsara @ izay. Io boky io dia ao anatin'ny hoe "apocalyptic literature".. Ireny no isan'ny style-na boky fanoratra t@ fotoan'androny. Ka dia mba nanoratra koa izany i John the Elder. Dia kisarisari-teny ao no namoahany ny frustration-ny @ Emperora Romana...

Dia izay boky izay no handrianao ao, dia avalaninao, dia lazainao fa miresaka Izao Tontolo Izao, ary @ izao fotoana izao koa???

ntssss... manofy ratsy ao fotsiny, dia hi-pipi pataloha lava ao ny farany f'ataovy ao ihany..

Mifohaza @ izay RBNIR aaa... literatiora t@ taona zero fotsiny iny...

rhaj0 - 03/09/2016 14:15
Loza iray ao @ Apaokalipisia ao hono dia hoe, ny ranomasina sy ny ranomamy dia lasa rà..

hi hi hi.. dia hozy i Lahindroy hoe, nitaveravera ilay anjely faha-3 tany an-danitra, ary dia niraraka tety an-tany daholo ny rà tanaty loviany, ary dia ho diba-drà hono ny tany eeee..
Fa hoy aho hoe, i Latera, izay la mère (nourricière), no toa tonga fotoana tao @ imagination-n'ny taloha tao, ary dia hoe, ho lasa rà menamenabe hono ny rano eee...
Na koa hoe, i Betsiboka angambany no hitan'ny voamason'ireo t@ l'an 0, ary dia lazainy fa ho toa izany koa hono no hitranga @ izay rano mandeha rehetra eee..


Hadinoy any izany imagination nandra de l'an zero izany, fa ndao dinihina ny ranomasina, @ niveau de connaissance 2016 eee...


Raha ny fahatakarako azy, dia ny olana ny @ ranomasina dia hoe, ny CO2 vokarintsika lava io, dia mitsonika ao an-dranomasina. CO2 + H2O === H2CO3. Miha-lasa acide kokoa ny ranomasina. Fa ilay miha-"lasa acide" dia tena miandalana miadana dia miadana. Ka dia sahala @ izay miova acidité rehetra, toy ny tany, dia mi-réagir arak'izany koa izany ny zava-maniry sy biby ao anaty ranomasina.

Ny tenantsika izao dia hitrangan'io équilibre chimique io koa. Ny malazalaza indray izao, dia hoe, rahefa plus acide toa izany koa ny vatantsika, dia lasa sompitra ho an'ny homamiadana ohatra. Ka efa voatanisa any ireo sakafo izay mampalasa acide ny tsiranoky ny vatantsika (toa ny siramamy), ary ampirisihina isika ny ampihena ny fihinanana ireny (jereo eto). Ary ireo manao méditation (respiration profonde sns..) hono, dia lasa manana vatana moins acide, ary dia tsaratsara kokoa ny fahasalamany.


Ka inona no atao @ ranomasina noho ity CO2 ity. Io no hiadiana lava @ sehatra iraisam-pirenena. Fa misy boaikely izay nahita fikabe, hoe io CO2 anaty ranomasina io, no anaovany traitement (scientifique) izany, ary dia sady mamokatra angovo no mampihena CO2. Boaikely no nampiana ary naneho ny fetezan'io, à petite échelle. Averiko indray, SCIENTIFIQUE io fa tsy rediredy. Mila tadiaviko ny artikla @ io, fa tena mahavelom-panantenana iilay izy.

Ka hoy aho hoe, hianaro ilay boaikely, na fara-faharatsiny araho ny fivoatran'ny Siansa sy ny fahalalan-draolona eeee... Dia izany no andaniana ny ron-doha sy ny jiro, fa TSY izao imagination rediredy nandran'ny l'an zero sy izao Apaokatsymisy izao foana no ventesina sy ivavahana mba ho tanteraka eo. Izany ry RBNIR aaa...


rhaj0 - 06/09/2016 17:44
RBNIRLoza fahafito :
« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy...

Hono ho'a ry RBNIR, misy ifandraisany ve ny "horohoron-tany" sy ny "kotrokorana" ??

Efa hainao tsara @ io fa ny "horohoron-tany" dia ny plate tectonic "any ambany any" no mikisaka; ary ny "kotrokorana" dia ny rahona mampiborotsaka orana sy misy electrostatique kely "ao ambaony ao"


hi hi hi.. dia tsy kopy ve ianao ry RBNIR, fa ilay olombe-nao de l'an zero dia TSY mahatakatra an'izany, ka dia nafangaroarony tao daholo izao phenomene mahavalaka rehetra izao, ampitahorina ny zazabelelo ? 

rhaj0 - 10/09/2016 17:12
Dia loza iray koa izao dia hoe voan'ny VAY "daholo" hono ny olona.. Dia matahotra ery ry RBNIR, dia minobe fa izany no ho famantarana.

Dia mbola tsy kOpy ve ianao ry RBNIR hoe, izany VAY izany no mba takatry ny hoza-dohan'ny taloha, l'an -3000, dia izany no nampitahorina ny zazabelelo ho'a??

Hadinoy any aloha izany imagination nandran'ny taloha izany, fa ndao azany dinihina hoe, inona ny aretina mety tena mba maharavarava ny zanak'olb. Jereo ato ohatra ny tantara, fa tao ny pesta, cholera, variole, gripa espaniola.. Ilay variole izao namely mafy ny amerindiana, ary ilay gripa espaniola (karazan'ny H1N1) namely ny atsimon' Eoropa t@ 1918, nahafaty efa ho 30 millions

Fa efa misy fanefitra sy fitsaboana azy daholo izao ireo. Dia izay no halalinina sy fantarina ary andaniana ny jiro sy ny ron-doha ho'a, fa tsy izao fampitahorana-zaza-belelo tantarain'i Apoakatsymisy izao foana no ivavahana mba ho tanteraka ao eee... Izany ry RBNIR aaa...


Ny aretina mandringana koa dia matetika mamely anaty. @ izao fotoana izao izao, dia ny homamiadana hono no aretina voalohany mamono, efa 8 millions isan-taona izy teo. Ny aretina aty (foie) sy rein betsaka voany dia maty; tsy lazaina ny tapaka lalan-dra...

Ka ny handaniana ny ron-doha sy ny jiro dia mianatra mba ahalala kokoa an'ireo, dia mitaiza-tena isorohana azy, sy mitady fanefitra ets .... 

Apr 4, 2016

Robot Tay

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Informatika ao @ Serasera


rhaj0 - 04/04/2016 20:34
http://techno.lapresse.ca/nouvelles/201603/24/01-4964310-le-robot-de-microsoft-devient-raciste-nazi-et-sexiste.php

Raha ny fahazoako azy izany, dia ilay "robot", dia hotry ny "olona virtuel", ka rahefa ampiresahina (eo @ tranokalabe eo), dia
- mandray resaka/teny/fehezan-teny, ary dia toa ny "mianatra" mihintsy izy avy @ izay.. sahala @ zazakely sesefana resaka, dia farany dia afaky ny mieritreritra @ tenany koa;
- ary dia mamaly resaka ny niafaran'ilay robot.

Izay izany ilay ventesin'ny mpahalala azy ny @ hoe "intelligence artificielle"
https://fr.wikipedia.org/wiki/Intelligence_artificielle


Fa navela notaizain'izay mpiserasera mpandalo eo @ tranokalabe ity robot, fa dia lasa ... "ratsy taiza", ary dia io lasa "miteniteny foana" io.


hi hi hi.. fa ny anarana namena azy kosa ange dia toa ny efa mampitsinjo ny hiafarany eee 

rhaj0 - 04/04/2016 20:42
http://core0.staticworld.net/images/article/2016/03/tay.ai-100652038-primary.idge.png

Toa 1 andro fotsiny hono i Tay no niseho masoandro, fa tena kinga ireo nampa-"ratsy taiza" azy nampianatra azy ny tsy fampianatra..
https://en.wikipedia.org/wiki/Tay_(bot)..

rhaj0 - 04/04/2016 20:49
Fa mbola "robot" ihany hono ny "robot", fa tsy mba fetsy tahaka ny olona. Ka hoe, mety mandresy izy @ lalao echecs, na lalao go, fa raha mi-bluff @ poker, dia mbola ambakain'ny olona fatsora ee .. 

http://www.roboticstrends.com/article/rise_of_ai_gaming_machines_are_humans_a_beaten_race

rhaj0 - 05/04/2016 13:09
Rahefa milalao echecs ohatra, raha ny fahazoako azy, dia kinga be ny ordi manao simulation hoe, raha mankatsy ny atsia, dia mankaroa ny aria. Ny fahazoako an'io, dia mbola i Raolona no mi-programmer ilay mankatsy-mankaroa.

Izay mba takatakatro ihany. Fa ny mampivanaka ahy dia hain-dRateknolozia koa izany izao ny hoe, toatoa ny ahoana ny mecanisme-n'ny "ny mianatra":
- Ka rahefa miseho ny données maromaro, dia ilay robot ihany no mandrafitra/mamorona vali-teny na vali-ketsika "mekanika" na "aotomatika" @ izay eo.
- Fa tsy hoe, ianao no mi-programmer ity valin-ketsika ity.

Ohatra izao i Ra-Tay, dia izy ihany no lasa "nahay" miteniteny foana toa io. I Ra-Tay ihany no nandrafitra/namorona ny vali-teny automatique. Na hoe, ilay automatisation-n'ilay vali-teny, dia TSY Raolona no ni-programmer azy, fa i Ra-Tay.

na hoe, no-programmer-ndRaolona hahay hi-programmer ny tenany koa i Ra-Tay..

Izay no fahazoako ilay hoe AI (artificial intelligence). Izay ve ??

rhaj0 - 06/04/2016 15:06
Ny fahazoako ny tsaty mamaly ho azy, dia TSY ilay robot mahay "mianatra", fa ilay robot mahay "miboloky" fotsiny... asa anefa..

Fa kritika iray @ ity raharaha Tay ity hono, dia hoe... Ka sipakely i Tay. Dia nefany ny mpitokona eto @ tranokalabe, indrindra ireo miasa @ teknolozia interinety, dia bandy daholo. Ary maromaro ihany ny bandy frustré. Ka dia kingabe ry frustrés isany nampa-"ratsy taiza" an'i Tay.

Io izany dia seho isehoan'ny hoe, hatraiza no mbola voan'ny préjudice ny vehivavy. Ny taona @ io efa 2016, ary ny jeogirafia mba hoe aty @ tany mandroso, fa esy eee... tena mbola mila miady mafy ho an'ny anabavikely sy ny zanakavavy izany eee...