Menu

May 31, 2016

Fitaizana - Sergent/Itsimivakiloha/Helicoptere/Idealy

Notsongoina avy tatsy amin'ny Facebook-n'i Mba Diniho Kely (MDK) sy ny Forum Fanabeazana ao @ Serasera

rhaj0 - 16/05/2016 15:59
MIsy karazany 4 lehibe hono ny ray aman-dreny sy ny fomba fitaizany ny zanany aby ao

1- r-a-d "sergent".. io ilay toa ny fifampitondrana any @ lakazerna ny ao an-trano ao.
2- r-a-d "tsy mivaky loha"... io ilay mihevitra fa ny sekoly sy ny fiaraha-monina no hitaiza ny zanany.
3- r-a-d "hélicoptère" ... io ilay manara-body, na dia efa any @ Oniversity aza ny zanany.
4- r-a-d "idealy"... na hoe, io indray izao no (tokony) "lamaody".. Io ilay r-a-d mametraka fanontaniana ho an-janany hoe : "lazao amiko hoe ahoana no hanampiako anao?"


Izay no teoria reko faramparany taty... Raha ireo, dia samia hoe mamisavisa, ary manasokajy ny tenany, ka hoe... karazana r-a-d inona ianao? Dia tantarao hoe, inona no maha-izay anao ao.

Izaho manokana dia indrisy fa r-a-d "hélicoptère"... fa efa miezaka eee ... 

rhaj0 - 17/05/2016 13:37
Ndao anie raisina tsirairay ireo sokajy 4 ireo eee..

1- r-a-d sergent

Ny fitaizana anay tao an-trano dia toa io
- rahefa antsoina dia tsy maintsy mamaly hoe "ahoana tompoko" (Eny Mon Sergent)
- ny raiko izany no Sergent, fa ny reniko dia Adjudant; ary ilay lahimatoa no 2eme class.
- maro ny fitsipika ao an-trano, toa ny corvée tsy maintsy atao, na koa ny couvre-feu ho an'ny anabaviko
- dia tena hoe, manaraka baiko aloha, dia avy eo, miresaka, raha hisy resaka moa izany.
- ny baiko eo ihany, fa ny fanararaotana ataon'ny be galona dia ... indraidray dia toa ny manompo an-dreo izaho, ilay vata-tay.

Fa "milamina" ny tao @ Lakazerna, ary nisondrotra grady tokoany koa moa aho, ka ity lasa aty Kanada ity 

rhaj0 - 17/05/2016 19:56
2- r-a-d "tsy-mivaky-loha"

Izy izany ilay r-a-d izay mamela ny zanany any, manao izay ataony any.
- mety hoe, ilay r-a-d niteraka nefa mbola tanora, ka dia tsy mahatakatra ny andraikitra mipetraka (na ny hafaliana mety ho azo)
- na koa dia ilay niteraka nefa tsy te-hiteraka, ka dia fafany @ eritreriny ity zaza fa toa mandrebireby ny fiainany
- nefa koa mety hoe dia tena safidy, vokatry ny eritreriny, mba hampirisika ilay zaza hikezaka @ tenany any, satria fony kely izy ohatra dia toa izany koa, na hoe mahita izy fa izay no tokony ho izy
- ny aty Kanada na Zamerika izao, dia misy ireo r-a-d, tena tsy andriny izay aha-18 taona ity zaza, ary dia tonga dia barakay; ka ambara-pahatongan'izany, dia efa mila avela any ity zaza
- etsetra...

Fa @ ireo rehetra ireo, dia tsy miteny, na zara raha miteny, tsy manoro, tsy manampy, na zara raha manampy ny zanany ity r-a-d, fa dia hotry ny hoe, "ny sekoly sy ny fiaraha-monina no hitaiza ny zanany" fa tsy mba izy r-a-d niteraka tao.

rhaj0 - 17/05/2016 20:44
3- r-a-d "hélicoptère"

Ity indray ilay vontom-pitia an-janany... hono.
- ilay mipofo lava, ary tsy lavitry ny masony mihintsy ity zaza, fa dia manaraka ary mitsinjo izay (mety) hanjo azy, na mianjera ho azy ao izy, na finganin'ny namany,
- mahavatra mitsabatsabaka @ adin'ankizy, mamaky ny diarin-janany na koa ny taratasin'ny naman-janany ary mihaino ny resaka an-tarobian-janany;
- izy ilay mahavita manao ny devoaran-janany, miady naoty @ mpampianatra; rahefa atao kisarisary, dia izy mihintsy ilay mbola manaraka an-janany nefa efa any @ Oniversity ilay zaza.

Mety masiaka izy, nefa mety ilay tsara-fanahy fa manempotra ireny koa. ary miseho mahalala ny zava-drehetra, ka manalokaloka, rahefa tsy manindry aloka an-janany ao.

Ilay r-a-d toa itony no, mety koa, ilay karazan'ilay mambosibosika ny zanany hanao an'izao sy izao... zavatra rehetra tsy vitany t@ androm-piainany izao.
Ka mampanontani-tena hoe, tena fitiavan'i hélicoptère an-janany ve io, sa fitiavany ny tenany.

rhaj0 - 18/05/2016 02:59
4- r-a-d idealy

Araka ny teoria farany izany, dia ilay r-a-d no manontany an'ilay zaza hoe :
"Lazao Amiko Hoe Ahoana No Hanampiako Anao?"

Ahoana moa izany. Io dia toa ny rahefa mivarotra. Rahefa mandehandeha ao @ labotika ny mpanjifa, dia hoy ny mpivarotra: "How Can I Help You?"

Efa tena voadinika lalina io fantsy io, ary lasa natao fahazarana. Fa raha ny tena fonosin'io, dia hoe:
1- mampahafantatra anao aho, fa hoe, eto aho, ary afaka sady tia hanampy anao, raha toa ka mila fanampiana ianao,
2- fa raha tsy mila fanampiana ianao, dia tsy handrebireby anao aho, ary tsy hambosesika entana na resaka anao aho.

Ary ny tohiny dia hoe
1- ianao no mahalala fa mila olona hanampy anao ianao,
2- ianao no manantona ny olona izay fantatrao fa afaka hanampy anao, ary safidinao io
3- satria ianao ihany no mahalala hoe, inona no tianao sy ilainao,
4- ary ianao no mahalala hoe, ahoana ny fomba hanampiana anao, fa dia ilazao ahy fotsiny
5- dia ianao no manapaka ny resaka rahefa tsapanao fa ampy izay fanampiana azonao izay,
6- ... etsetra ...

Izany hoe, ny fahefana sy ny fahalalana ny tadiavinao na ny filanao, dia anao tanteraka, ary ianao ihany no erany. Fa izaho dia mpanampy anao fotsiny.


Ka ny tanjona, na ny faniriana moa izany, dia zarina ho @ izay fahefana (empowerment) sy fahalalany tsara ny filàny an'azy (connaissance de soi) ao ilay zaza, na dia mbola kely azany... ary izany dia atao arak'izay azo atao.

Fa raha mbola kely loatra moa izy, dia (mety) mbola tsy maintsy tonga dia manoro ihany ianao lehibe, fa kosa, ary ity dia tsipihina tsara, mila manolotra safidy ianao, ahafahany manapaka dia misafidy araka ny filàny na izay tena tiany eo.

rhaj0 - 19/05/2016 16:38

rhaj0Ka ny tanjona, na ny faniriana moa izany, dia zarina ho @ izay fahefana (empowerment) sy fahalalany tsara ny filàny an'azy (connaissance de soi) ao ilay zaza, na dia mbola kely azany... ary izany dia atao arak'izay azo atao.

Ka @ io izany ilay zaza, dia efa manomboka zarina handray an-tanana ny fiainany, ary dia efa izy koa io no mitondra ny teniny. Manomboka tsipihina tsara fa izy no tompon'ny ataony sy izay safidiny ao (ownership).

'Ndao anie ampitahaina @ iretsy karazana fitaizana 3 hafa ny mitranga eto eee...

Raha RaR Sergent ianao, miaraka @ teny midina (na teny baiko) "ifampifehezina", hoy ianao, na ilay RaR helicoptere, ilay mihaohao eo foana, dia tena mbola ianao RaR izany no mahalala SY manapa-kevitra ny ho ataon'ilay zaza.

Marina fa rahefa nanome "safidy" ilay RaR idealy, dia mbola izy lehibe io ihany izany no "mahalala" ny tokony atao, nefa kosa, nisy fampieritreretana sy fiarahana mieritreritra teo.

Raha RaR Tsy-Mivaky_loha indray ianao, dia tena tonga dia tsy maintsy mizatra mandray an-tanana ny fiainany tokoany koa moa izany ilay zaza, nefa, mila "mpitarika/mpanoro" ihany izy. Dia eo no lasa izy samy bado no mifampitarika sy mifanoro, na ratsy kokoa, misy kafetsy hanambaka sy hanararaotra azy.

rhaj0 - 19/05/2016 19:12

rhaj0Ka @ io izany ilay zaza, dia efa manomboka zarina handray an-tanana ny fiainany, ary dia efa izy koa io no mitondra ny teniny. Manomboka tsipihina tsara fa izy no tompon'ny ataony sy izay safidiny ao (ownership).

Io fahatsapan'ilay zaza fa ny tenany no "tompon'ny ataony araka izay safidiny tao (ownership)", dia ezaka sarotsarotra ihany ny fanatanterahana azy, indrindra moa raha mbola kely izy. Mety atomboka @ safidy toa ny hoe, paoma sa paiso. Dia miitatra @ hoe, hilalalao dia mitaraikiraiky, sa tsy mitaraiky dia tsy tara @ fotoana nifanaovana t@ namana.

Dia rahefa lehibebe izy, dia miha-avela irery @ izay, fa kosa, mila maranitra tsara manaraka azy (accompagner):
- mila mampirisika hatrany azy, ny mba hanantonany anao raha ilainy, How Can I Help You, na koa
- manolotra "safidy" aminy, raha toa ka mbola tsy matotra tsara ny fieritreriny eo.

Ny tena maha-sarobidy an'io fizarana ilay zaza handray an-tanana ny fiainany amin-tsafidy malalaka io, dia rahefa vantombantony iny izy. Malaza ary atahorana foana ity hoe kirizin'ny vantombantony ity (crise d'adolescence). Raha izy no tompon'ny safidiny tao, niaraka t@ ilay RaR idealy, dia
- inona moa no hitroarany (revolte) eo, satria izy ihany no nisafidy ny nataony sy izay fiainany tao.
- inona moa no hanafenany izay ataony ao aminao, satria efa h@ izay ianao tsy hoe, hanabedy na handrara, fa nampirisika azy ny hisafidy izay tiany atao tao foana.

Koa jereo tsara ry RaR sergent, fa nety nilamina ny lakazerna fony kely izy, fa raha vao "tonga saina" izy, dia hitroatra @ fahefanao (autorité-nao). Eritrereto tsara fa ianao sy ny nataonao ihany no "namboly" ity kirizy ity. Ny RaR tsy-mivaky-loha moa, dia aza gaga raha mora voarebirebin'ireo bado namany izy, na ilay kafetsy. Ary ilay RaR hélicoptère indray, rahefa takany fa manempotra azy iny ianao, dia raikitra @ izay ny kinafinafina, ary dia tsy hisy fifampitokisana vanona intsony.

rhaj0 - 24/05/2016 16:50
Izaho k'lou dia RaR Hélicoptère ho'a.. Fa hitako hoe, toa nilaina ihany ilay izy. Toatoa izao aho rahefa nihaohao lava tao. (dia zarao koa ny nataonao ngo dia mba mi-inspirer koa)

1- fony kely izy, dia eo foana aho mihaohao mampiresaka, dia mitantara angano isaky ny andeha hatory koa ohatra. Amafisiko @ safidin'angano na tantara notantaraiko tao, ny resaka mety nikasika ny zava-nisy tany @ garabolany tany, na koa, resaka fahalalana ankapobeny.

2- ny boky sy sarimihetsika jerena indray, dia tena notadiaviko mihintsy ilay misy tantaran'ny Afrikana/Mainty, toa ny tantaran'i MowgliKirikou, ary indrindra i Little Bill. Rahefa niha-lehibebe izy, dia Cosby Show, na My Wife And Kids ary Fresh Prince of Bel-Air no fijerinay.

Ny tiako tsipihana @ ireo, dia matetika (loatra) dia TSY izy izany no nisafidy fa i Hélicoptère, na dia hoe, i Caillou na ireo prinsesy sy printsy disney azany ohatra no malaza koakoa ary mety hoe tiany jerena. Fa rahefa hotr'izay no nisesy tao, dia taty aoriana, dia izy ihany no nifidy ilay hoe How To Be Indie (sipakely karana io).

3- Rahefa mipaika ny volana desambra iny, dia "nampinoana" ny ankizy fa misy Lutins kely mamela hafatra ho azy isan'andro. Ka dia isa-maraina i Hélicoptère manafina taratasikely, misy hafatra... na anatra "mampa-hendry".


Ka io ilay manenjika ny saiko lava hoe, mila mailomailo tsara, fa mety hisy ny "resaka tsy vitanao fony izy mbola nisokatra iny, dia ataovy veloma hatreo fa tsy ho vita intsony.". Nefa moa, rahefa nampiresahina izy taty aoriana, hoe, nandaitra ve ilay Lutins, dia ... ny valiny dia tsia 

rhaj0 - 25/05/2016 13:09
ilay miresaka (communication sy carte sur table, hoy Razafyaina2o15) aloha dia tena zava-dehibe... Tsy @ zaza/ankizy ihany fa na @ lehibe samy lehibe koa azany. Mahafinaritra ny fitantaranao ny firesahanareo ao. Ilay complicité (toa ny namana, hoy Razafyaina2o15) dia tena mahavelom-bolo. Mahafinaritra fa hita fa mahatsiaro ho tiana ilay zaza, tian'ny reniny. Rahefa ampy fitiavana toa io ilay zaza, dia ... (mety) tsy mba toa ireny zaza mpiantsampy @ tsilo ireny, na ilay mpampijaly namana (bully) ireny...

Fa raha iverenako @ ilay karazany 4 sy ny firesahana (communication), dia..

- ilay RaR sergent, tsy ny fitretrenany k'lou, dia ... mety matahotra ilay zaza dia manaraka (sy hendry hono) tokoany moa... rahefa mbola kely izy. Fa jereo tsara fa ny anarahany ny tokony na tsy tokony atao ao, dia noho ny "tahotra" fa tsy ny "fanekeny na safidiny".

- ilay RaR tsy-mivaky-loha indray moa dia efa toa ny TSY miresaka.

- ilay RaR hélicoptère kosany, dia raha manesika manesika lava ao ianao (na izaho moa izany), fa tsy mba mampanontany (How Can I Help You), na fara-faharatsiny manome safidy an-janany ao, dia ... hitanao izany fa (mety) saika toloram-potsiny sy voafahana foana ity zaza, ary ny resaka dia "à sens unique". Ka rahoviana ity zaza vao handray an-tanana ny fiainany ??

rhaj0 - 26/05/2016 18:11
Ny @ "carte sur table" lazain'i Razafyaina2o15, dia... aty aho rahefa mihaona amina fianakaviana sy ny zanany ao, dia ataoko "carte sur table" ao imason'ny ankizy eo mihintsy ilay teorian'ny karazany RaR 4. Fa dia mikimokimo miaraka @ ankizy eo ny iray latabatra, indrindra moa rahefa sirika iny ilay Baininany ao fa Sergent.
Ary dia tena monjomonjo be mihintsy i Sergent @ io 

Fa rahefa mifanakalo resaka sy traikefa eo, dia miara-miaiky ny rehetra fa tsy voafehy ao anaty karazany tokana ilay fitaizana. Ka raha atao ny fanakilasiana, dia ity arosoko ho 2-dimensions toy izao izany ilay izy

................................... RaR Idealy .........................................
...... RaR Hélicoptère..............+...................RaR TsyMivakyLoha.....
................................... RAR Sergent .......................................

Ka raha izaho ohatra izany, dia mahatsapa aho fa ilay tache mamaritra ahy dia... mirona atsy avaratra andrefana, somary maka atsimo kely, fa kosa, tsisy trace-ny mihintsy ao atsinanana.

Dia mivoatra koa moa ny "tache", ka ... enga anie, @ farany aho ho lasa any avaratra tanteraka

rhaj0 - 30/05/2016 17:05
hi hi hi.. monjomonjo ho'a i Sergent, rahefa mipetraka ny "carte sur table", ary eo anatrehan-janany, fa ity fombany ity anie ka fomba-na Sergent. Ka tena mahatsiaro ilery fa tena mikitikitika (remettre en question) ny maha-tô-teny azy (autorité) ao @ Lakazerna 

Ary dia eo izy dia mety @ ilay hoe, "tokatranonay izany fa tsisy idiranao"... Fa marina ny lazainao: TSISY an-tery io. Nefa aloha, TSY afaka ny mijery fotsiny dia manapi-maso @ fanararaotam-pahefana (abus) ataony amin-janany ao ianao.

Ohatra tsotra hoe, ilay "tsoran-kazo", dia tandremo kely fa mety tonga dia "direction prison" an... Betsaka ny RaR immigrants aty Kanada, manao Sergent ka hoe, rahefa mandingana ny varavaran'ity tokan-trano ity, dia... ohatra hoe, any Dago isika fa tsy aty Kanada. Fa tandremo f'aza mba ren'ny DPJ (Direction pour la Protection de la Jeunesse) ny hadalan'i Sergent ao, fa tonga ho'a dia "direction prison" koa ee.. aty mety ilay zaza mihintsy no manantona ny DPJ. Efa mahay, fa nampianarina izao ny zaza aty hoe : "c'est mon droit."

rhaj0 - 31/05/2016 03:13
Marihiko aloha fa atelier ho an'ny RaR-n'ny mpianatra taty aminay no natrehiko efa ho 5 taona lasa izay. Tsy tadidiko akoriny ny mpamelabelatra; nijerijery ni-google aho fa tsy nahita referansa koa.

Fa tena tsara petraka ny fanontanian'i 5laody, ny @ mpianadahy sy ny tsy mitovy taona. Ary marina tokoany fa (mety) samy hafa ny fiatrehana ny isan-karazany ao, ka mety lasa miseho ho fiangarana, na mampifandiso ny hafatra nampitaina teo aloha. Izaho manokana aloha dia tokana ny ahy ka tsy nipetraka ny fanontaniana.

Fa raha mieritreritra eto aho, dia tena tsisy afa-tsy ny "carte sur table" araka ny filazan'i Razafyaina2o15 azy. Koa na eo ampametrahana ilay fanontaniana azany, How Can I Help You, dia "hazavaina" @ ilay zaza ny tanjona sy ny antony.

Dia ny ahy koa aloha dia tsoriko fa izaho TSY tonga lafatra, ka hoe hahay izao rehetra izao, na hoe manana ny marina/rariny @ izao rehetra izao; apetrako mazava tsara mihintsy hoe, izaho koa anie miezaka e; tsisy nandeha sekoly-mianatra-ho-RaR teo, fa dia ... miezaka, ary dia mba ampio koa aho. Dia miara-mikaroka ny ho atao sy izay vaha-olana eo zahay mianakavy. Sady manararaotra koa eo mametrapetraka fa, toatoa izao ny fomba fieritreretako, sy izay antony ary izay vokatra heverina eo, ka nahatonga ny fehin-kevitra/vaha-olana.

Koa raha "tsy mitovy" ireo zaza izany (mpianadahy/zoky/zandry), dia tena lazaina eo, "carte sur table", fa izay ilay izy, dia miara-mamahabaha eo. @ ankapobeny, raha ny fahitako azy, dia izay fehin-kevitra/vaha-olana eo, dia mila tafapetrapetraka fa "safidin"ilay zaza" ilay izy: izy no (isan'ny) namahabaha teo, ka nahatonga ny fehin-kevitra, ary nisafidy ny firosoana teo... (idéalement).

rhaj0 - 14/06/2016 14:30
Inty no hita sy reko faramparany koa...

Ka @ Raolona, dia misy ity hoe "multiple personality disorder"... mety hoe "bipolar" izy raha manan-droa izany. @ io izany ilay olona, dia tena (toa) olona roa samy hafa, rahefa amina tranga na seho na fotoana samy hafa.

Ka io, raha "fahiny", dia hoe olona "marary (saina)" ny manana "multiple personality", hozy ny dokotera (psy). Fa izao indray hono, "normal" izany, fa ny olona manana "personality tokana" indray izao no "marary". Fa kosa, tsipihina tsara, fa "aretina" ihany ilay "multiple personality" rahefa miaraka amina olana-be ara-pitadidiana.

Ka izao no nasisiko rahefa tena ilaina ilay "mibedy" ny Ankizy... hoe... manana "personalite" roa ianao, normal izany, dia Iketaka-mafy-loha sy Iketaka-malefaka. Ka Iketaka-mafy-loha dia io mitaritarika anareo roaroa hanao betizy lava io.
- koa raha "mibedy" aho, dia Iketaka-mafy-loha no "bedesiko"
- ary ianao Iketaka-malefaka koa, tokoany handresy lahatra an'Iketaka-mafy-loha tsy hanao betizy, ary tsy hanaraka ny betiziny intsony koa ianao.

Io izao mety ilay vita kisarisary mba ampatsotsotra ny fahazoana azy hoe, misy devoly/anjely mibitsika. Nefa raha ny fahazoako azy, dia "ivelan'ilay zaza" ireto, ary "etre imaginaires" ireo devoly/anjely ireo, fa tsy hoe, ilay zaza, na ny fisehony/toetrany mihintsy no mivadibadika.

Dia io koa izao mety araky ny fiteny Malagasy hoe, itsy dia "zaza mahery an-trano". Nefa raha ny fahazoako azy, dia na an-trano na any am-pianarana, dia eo foana Iketaka-mafy-loha sy Iketaka-malefaka.

rhaj0 - 15/06/2016 18:13
Iverenako kely ilay hoe, ny olona manana "personality tokana" indray izao no "marary". Ahitsiko kely hoe, ilay toa Itsimahaalaafatsytokanaihany izany no lazain'ny dokotera ankehitrio indray ho "tsy salama (saina)".

Fanefa raha "toetra" no andikako ilay "personality", dia ekena fa miovaova toetra Raolona arakarak'izay tranga/seho/fotoanany/... eo. Ka eto izao, raha ny fahitako azy indray, dia rahefa miha-matotra anefa isika, dia miha-constant ilay toetra. Diniho anie ireny ela nihetezana ireny eee...

Ka raha ny fomba fijeriko ho'a, dia ilay (concept) hoe "multiple personalite", Ikoto-mafy-loha sy Ikoto-matelot, dia ampatsotsorina ny fahazoana ny fi(s)ainana ao, fa ilay "personalite"-nao izany, dia taizana sy avoatra hatrany, ka rahefa ela ny ela dia .. "ela nihetezana" eee...

No comments:

Post a Comment