Menu

May 16, 2016

Ny vaksiny

Notsongoina avy tatsy amin'ny pejy Facebook Mba Diniho Kely, MDK


Haja Razafitrimo Inona tsara moa izany ny Vaksiny
https://fr.wikipedia.org/wiki/Vaccination
... introduire un agent extérieur (le vaccin) dans un organisme vivant afin de créer une réaction immunitaire positive contre une maladie infectieuse.

Efa fantatra ny fiasany, ary efa nampiasaina ary hita ny vokany, araka ny notaterin'i Lanto ny @ varioles sy ny sisa. Ny aty Kanada izao, dia efa mandray ny andraikiny mihintsy ny fanjakana, fa raha tsy vita vaksiny ny zanakao, dia ahantona ny fianarany, ary dinihina akaiky ny antony tsy nanaovany vaksiny (safidin'ny ray aman-dreny, sa resaka "finoana", sa misy antony ara-pahasalamana manokana avy @ dokotera...). Satria raha sanatria marary ny zanakao, dia miparitaka @ ankizy namany izany, ka dia tsy maintsy tsinjovina ny fahasalamam-bahoaka.

Saingy kosa, misy ihany ny indro kely. Efa elaela izay, dia misy vaksiny vaovao ankoatr'ireo efa mahazatra, toy ny vaksiny ho an'ny gripa. Ary raha miainga @ io farany io, dia ho hita mivoitra ny "indro kely" lasa "indro be" @ ity resaka vaksiny ity.
1- Ny vaksiny gripa dia mifototra @ fiadiana an'ireo tsimok'aretina gripa ... izay niely t@ taona lasana. Arak'izany, dia tsy afaka ny hiaro anao @ tsimok'aretina gripa vaovao izy (satria mivoatra hatrany koa ireto tsimok'aretina).
2- Tsy maintsy vonona alohan'ny Janoary, indraidray azany Novambra, ity vaksiny, satria toa ny misy "saison"-ny ny fipongatra sy fihanaky ny tsimok'aretina.

Koa raha azonao hoe toatoa ny ahoana ny @ famboarana ny vaksiny, dia ho hitanao taratra ary ho azonao raha misy ny ahiahy, ka hoe
1- sao dia tsy maha-tapak'ahitra akoriny azany ity izy, nefa ny vokany ambadika (effets secondaires) indraidray tsy fantatra akoriny koa.
2- sao dia resa-bola no ifotoran'ny famboarana ity vaksiny sy ny fampiharana azy, satria koa moa, lany-fiasa (périmé) ireto izy afaka fotoana fohy. (ny olana dia tsy-miankina, privé, no mamboatra ny vaksiny, ka mila vola sy investisma ny famboarana azy, ary mila tombony ilay mpamorona-mpivarotra azy ity).

Fa kosany, io ahiahy io moa dia mitombona "ihany" @ Vaksiny-Gripa, satria, ny tsimok'aretina hafa, dia tsy mivoatra haingana toa ny tsimok'aretin'ny gripa.

Nefa moa dia mihitatra ny saina (sy ny ahiahy), ary dia rariny ihany raha manontani-tena koa ny olona ny@ Vaksiny-HPV (human papillomavirus) ohatra
https://fr.wikipedia.org/.../Vaccin_contre_les_infections...
L'utilisation de ce vaccin auprès des jeunes filles est contestée par certains scientifiques et organisations.

Raha izaho manokana, dia toa ny zava-drehetra (@ siansa) ihany, dia ...
1- tsy ho fafako @ eritreritro (table rase) ny efa natao sy vita taloha, izay efa hita fa mitombona ary mitondra voka-tsoa (ireo vaksiny polyo sns...). Raha sanatria moa voaporofo mazava aty aoriana fa tsy nety ilay izy, dia ... akory atao, fa izay azany no fahalalan-draolona t@ fotoan'androny, fa ny ho avy no hahitsy.
2- manadihady, na mamaky ny fanadihadian'ny mpahay azy, ny @ ireo Vaksiny vaovao. Eto dia mbola mila mametraka fahatokisako @ fahalalam-draolona @ izao fotoan'androny izao foana ihany aho.

Fehiny: tohizo ny resaka sy fifanakalozana ary aza miridiridy @ fehin-kevitra iray; mivoatra hatrany isikana


No comments:

Post a Comment