Menu

May 27, 2016

Reran-tsaina

Notsongoina avy tatsy amin'ny  Forum Fahasalamana ao @ Serasera

rhaj0 - 27/05/2016 02:06
Marary inona hono ilay ranamana.. Ka lavabe ny lisitra..

https://fr.wikipedia.org/wiki/Liste_des_troubles_mentaux

FA mahavariana ahy ny fivoaran'ny siansa @ io..

Tena tsy domain-ko ito, fa fotsiny, raha ny fahazoako izay rereko eny, dia taloha dia hotry ny hoe ezahina averina taizana ilay "saina marary".. ny fitsaboana dia fampiresahina.

Fa tato ho ato, dia ilay mekanisman'ilay ati-doha sy ny system ao dia efa nohalalinina ary manomboka fantampantatra.. inona ny reaction chimique mandeha ohatra..

Ka raha fantatra ohatra hoe ny oxytocin no hoe "love hormone", dia hotry ny hoe mitady fanafody fika simika ra-siantista hamokarana, na hanampy ny hamokarana azy io, raha ohatra ka tsy ampy an'io ianao.. (raha be loatra indray moa, dia hoe, ahoana no hanalefahana azy)

Ny olana, matetika hono mantsy, dia tsy ampy ilay simika ny vatanao, dia mivaralila, Dia nefa rahefa mivaralila ianao, dia vao mainka tsy mamokatra ilay simika. Ka dia asiana fanafody fika simika izany hanampy anao hiala @ ilay cercle vicieux, fa mbola ampiana ny fomba taloha, dia fampiresahina sns..

Fa ny indro kely, mety lasa indro be, dia tena mbola mitsapatsapa ben'ihany ra-siantista izao, ka tsy tonga lafatra ny fanafody, ary ny effets secondaires vao mainka toa lozabe..

Ka dia tsy hita izy ity, fa eo izany isika izao, ka dia izay izany...

rhaj0 - 27/05/2016 13:11
... olana (ara-tsaina sy fo fanahy) hananantsika rehetra: samy dépressif (mitsakotsako ny lasa sy izay misy eo), na koa anxieux (matahotra ny ho avy) daholo isika rehetra. Fa misy io @ sasany dia lasa aretina (maladif), ary tena tsy mahavita n'inon'inona mihintsy izy satria dépressif na anxieux, ary misy azany tia hamono-tena mihintsy.

Dia eo ilay hoe, tena siriky ny neurosiantista ilay simika sy ny fomba famokarana azy ao, ka (tsy) mahatonga ny dépression na angoisse. Ary dia ameny fanafody simika ianao, hanampy anao mamaky ilay kiboribory vetaveta (cercle vicieux), sady ampiany fampiresahina koa.
Ilay "kiboribory vetaveta" dia ilay hoe:
- marary ianao dia tsy mamokatra simika tsara,
- ary tsy mamokatra simika tsara ianao, hany ka (miha)-marary.
Ary ilay "fampiresahina" dia ilay ataon'i Freud eee...

Fa ilay indro kely lasa indro be, dia ilay fanafody simika dia tena mbola eo ampikarohana, ary matetika dia misy vokany ambadika (effets secondaires), eo @ fitadidiana (mémoire) ohatra, na vokany any aoriana (à long terme), ho voan'ny alzeheimer indray ianao aoriana.

Fa dia "in progress" ny fahalalan-draolona, ka dia arak'i Endriny teo, dia mila "matoky zaodahy mahay mandrafitra" izany eee... tena izay mihintsy 

Fa kosa, rahefa hainao ny mecanisme-n'ny dépression sy/na anxiété, dia mba mikezaka kosany ianao izany eeee...

No comments:

Post a Comment