Menu

May 10, 2016

Siansa sy Finoana

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana, Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 10/05/2016 15:15
Aleo aloha hazava fa...
1- Ny Finoana dia "manaiky-tsisy-porofo"
2- Ny Siansa dia "manaiky-mifototra-amina-porofo"

a- Ny Finoana dia miorina amina "vérité absolue"
b- Ny Siansa dia "work in progress"


Ka raha hi-Siansa ianao, dia mila manana ilay état d'esprit, @ izay ataonao na saininao ao, hoe
--- porofo
--- "in progress"


ka io ny olana ho an'ny Mpino fa tena TSY takany mihintsy io. Rahefa voasesika ho Mpino ianao, dia tena TSY tafita (mihintsy) ilay état d'esprit-na siantista, fa dia mivaralila manafangaroaro ny Finoanao @ Siansa foana ao...

Dia mahatsikaiky (sa dia tena maharikoriko mihintsy indraidray) fa dia
- ao ireo Mpino tia "hanaporofo" ny Finoany hono
- ao ireo Mpino, manao Siansa hono, dia mitady "vérité absolue" hono


Fa dia aza mba afangaroaro ny kisoa sy ny vorona k'lou, fa dia tena manompa-faty ny Finoana SY ny Siansa mihintsy anie izany eeee....

rhaj0 - 10/05/2016 15:44
Ilay "work in progress" ve no tsy metimety aminao? Tsy metimety satria ianao dia toa hotry ny manantena "vérité absolue" foana.

Tena mila mafy ny sainao, fa hoe, "mivoatra hatrany" ny fahalalan-draolombelona. Ny dikan'izany:
- ny "vérité" androany dia ... miorina tamina "porofo" ANDROANY. Dia izay izany.
- Fa rahampitso, raha misy "porofo" vaovao, dia ... izay koa izany.

F'izany TSY midika hoe, rahefa misy "porofo vaovao", dia tena ariana daholo ny "vérité" rehetra OMALY.. Efa betsaka ny "vérité omaly", no efa "ekena-porofo", ary ny vokany dia ny fampiasana ity vérité (scientifique) @ fiainana (teknolozia) io, ary dia efa io iriarianao @ fiainana isan'andro izao io.


Ohatra hoe, ianao ve tany am-pianarana manao ny devoara ao, mety hoe misy demonstration amina dingana maromaro. Dia raha ilay dingana farany ve, no diso, dia tonga dia zero ny devoaranao, ary tena apetrakao ho diso h@ 2+2=4 ???

rhaj0 - 10/05/2016 16:09
Ilay "in progress" k'lou dia tena mila hanananao ao an-tsainao ary normal mihintsy ilay izy ao, satria izay ilay fiainana, ary izay no fisainana.

Ohatra indray hoe, na ny fifampitondrana anaty fiaraha-monina aza ange, ny lalàna, dia "work in progress" eeee... Dila izany hoe "vérité absolue" ao anaty Baiboly dia, ohatra hoe, ny lahy sy ny vavy ihany no mivady. Izao efa aiza isika izao...

rhaj0 - 10/05/2016 16:22
1- "vérité établies" angaha no ilazako ny vokatry ny "work in progress". Izany dia samy hafa be @ hoe "vérité absolue" (tsisy porofo ho'a).

2- Ilay etat d'esprit scientifique dia mila manana flexibilité ary mila résilience (mahay miarina).

3- Dia misy koa ilay hoe "incertitude". Ny @ io, dia jerenao tsara @ evaluation ataonao ao, fa koa, takatrao eo fa rahefa miha-mivoatra ilay fahalalana dia miha-kely ilay incertitude

Manaiky ianao fa izay ny fisainana, ary IAINANA ilay izy.


Rahefa milona ao anatin'izany ianao, dia ho hitanao fa TSY ho Mpino(mino) (foana) intsony ianao..


Ka raha raisina ohatra ity hitanao @ datation C14 ity, dia ... hitanao io ny "in progress", ahoana ny "incertitude" an'ity methode taloha.. etsetra... Dia aiza izao ny flexibilité-nao, sy ny résilience-nao, fa ny fiainana mitohy ary hifoha maraina falifaly indray ianao rahampitso fa nitombo fahalalana raolombelona.

rhaj0 - 10/05/2016 16:45
Ireo "vérité absolue" raisinao ao @ finoaNAO, anao sy ny mitovy aminao irery ao, dia "subjectif" marina. Hitanao tsara fa ny finoana HAFA dia TSY mitovy ny aminao.

Ny Siansa k'lou dia TSY hanaporofo izay "vérité absolue" (sy subjectif)-n'ny Finoana isan'isany any.

Ekeko fa TSY miaraka ary samy hafa, na koa azany mifanohitra, na mifanilika, ny Siansa sy Finoana.

rhaj0 - 10/05/2016 18:37
Iverenako kely ilay Big-Bang. Araka ny nolazain'i Endriny io, dia "io aloha no manakaiky kokoa ny rafitra ara-pizika ary nohamarinin'ny tranga sasany hita tao Cern". Io no "vérité établie" ANDROANY.

Dia averiko indray ilay resak'i Hubert Reeves reko t@ TV efa elaela be izay, ny @ io.

Ny taoriana kelin'io Big-Bang io, ndao atao hoe, Big-Bang-plus+1, miala @ zero izany, dia eo izany ilay lasopy fa manomboka mihanaka. Ary azon'ny Fizika hazavaina tsara (plus ou moins) ny fihanaka, sy koa, ny niseho ao @ ilay lasopy (inona ny particules SY interactions misy ao). Ary misy vita kirakira (experience) akoriny aza io fa tsy hoe fijerevana (observation) fotsiny (ao @ Cern hoz'i Endriny teo).

Fa.. taloha kelin'io Big-Bang io, ndao atao hoe Big-Bang-moins-1, ilay talohan'ny zero izany, dia TSY mbola fantatra hoe inona no "particules SY interactions NISY" tao. Izany hoe, TSY fantatra hoe, toatoa ny ahoana, dia ahoana ny concentration-na matières tao, mainka moa fa hoe, ahoana ny interactions-n'izay matières tao izany.

ka io rahefa TSY fantatra dia tsy fantatra... fa dia mifalia ary mifohaza maraina fa mbola misy karohina izany.

Dia ny atao dia manao "tombana" hafa indray, dia manao "fandinihina sy ny fandramana", dia ... ampitomboina hatrany ny fahalalana eee...



Fa raha mbola mihosina ao anaty "Finoana" ny fi(s)ainanao... dia ... tsy hitako ny lazaina aminao, afa-tsy dia hoe, dia adabohy daholo any ho'a izany izao atao rehetra izao eee... dia akapohy @ ilay ni-imaginer-n'izay olona fahagola mampino anao abobo hatramin'izao ny @ hoe, ahoana niantombohana na ny fivoatran'izao tontolo izao.

rhaj0 - 11/05/2016 12:58
Vao reko t@ radio vao teo, dia izao hono no tolona-miaka-piakarana ho an'ny Siantista rahefa miresaka @ Mpino (sy ireo mpanaraka pseudo-science, izay mody miravaka "science" nefa kay "finoana" iringiriny):

1- Ny Mpino raha hamaly fanontaniana, na miandry valim-panontanina, dia "Affirmation" no ao an-tsainy. Resaka feno tsisy iadian-kevitra intsony.
2- Ny Siantista kosany, dia "Demonstration" no an'eritreriny. Ny resaka mivoaka na avoaka eo, dia (mbola) mila ampiasana ny saina, manadikadina, mamahabaha.

Ka raha hanazava, na mitady fanazavana, ianao izany, dia, raha tsy-te hiborotsaka any @ Finoana (sy ny affirmation gratuite-ny), dia mila
1- miezaka manao demonstration, na miezaka mihaino ny demonstration.
2- manaiky fa tsy ho feno ny demonstration fa mbola "in progress" lalandava ny Siansa.

Dia averiko indray.
1- rahefa TSY fantatra dia TSY fantatra. Izay izany. Ekena am-pahamatorana. Dia miroso manao "tombana/fandinihina/fanandramana/fanadihadiana/..."
2- rahefa misy TSY fantatra, dia izany TSY midika, fa izay efa fantatra (sy établie) hafa rehetra dia adaboka daholo.

rhaj0 - 11/05/2016 14:16
Io izao dia tsikaritro ary tena nanahirana ahy fony aho nampianatra. Dia mipetraka ny fanontaniana, hoe, fa maninona io lanitra io manga, indraidray manga antitra, nefa indraidray mena, mavo ets... Dia iny aho mihisatra miteny hoe, ka izao k'lou ilay izy eee... Dia rahefa tsy nahavaly resaka tanatin'ny 15 segondra aho, dia nihodina ny mpianatra. Satria zareo tia hahazo ilay "affirmation", ary "resaka tsy hiadian-kevitra" intsony... Dia nefa aho, tia mba ampieritreritra an-drizareo, mba tarihiko izy mamerina koa ilay "demonstration" ao an-tsainy ao.


Dia torak'izay foana ee... hanontany ianao izao hoe, avy aiza io masoandro io. Dia raha avy aho tsy mahavita manazava aminao ao anatin'ny iray andalana, na koa hoe, misy tsy mazava kely fa tsy ampy ny fanazavana, dia ... ahoana... tena aleonao ve, adaboka daholo izay fahalalan-draolona momba ny masoandro, fa tena aleonao mino an'ity sary eto ambany ity, fa io no efa "marina 100%" tsisy iadian-kevitra h@ izay, voasokitra t@ vato sy Baiboly, ary efa nahabotrabotra ny zokiny rehetra teto??



rhaj0 - 11/05/2016 18:46

stahtamIlay confirmation avant démonstration ihany no somary nahagaga ahy.

Ity no nolazaina tamiko tany an-tsekoly, ary zaraiko aminao

1- rahefa afaka Bacc ianao, dia mendimendy hoe, ndeha hianatra ary hahalala zavatra betsaka
2- rahefa afaka Licence na mahazo Injeniera, dia mendimendy hoe, tena nianatra ary nahalala zavatra, ary ndeha hampiasa ny fahalalana-be azo, ary hamokatra @ izay
3- rahefa afaka DEA, dia mendimendy indray hoe, tena mbola be dia be izany tsy hay izany, fa ndeha hianatra sy handalina k'lou
4- rahefa afaka Doc, dia TSY mendimendy intsony. Fa dia hoe, be izay hay izay, ary misy koa ny TSY hay. Fa koa, ilay honoris causa fotsy volo etsy ampita io, be koa ny hainy, ary misy koa ny TSY hainy.

Entre-pa fa tsy voatery hanana Doc ianao vao tonga saina hoe, izay ilay fi(s)ainana. Rahefa "ela nihetezana" koa ianao, dia ho takatrao ilay izy. Izaho dia mivanaka foana @ fahendren'ny Antitra.


Fa rahefa manaiky ianao fa izay ilay fi(s)ainana, ary IAINANAO ilay izy, dia ... moramora aminao ny mahazo ilay etat d'esprit-n'ny Siantista. Ka izay resaka mivoaka eo, dia ... hoz'ianao hoe, akanga aloha fa aleo aloha hanadikadina, ary aleo hiarahana mamahabaha/manadihady.. aiza tsara ilay "tombana/fandinihina/fanandramana/fanadihadiana/...".. ahoana izany demonstration izany... ahoana ny incertitude @ izany... ahoana tsara ny methode (scientifique).. ahoana ny approche... aiza cross-reference... ets...


Fa tena tsara ry Stahtam fa nisy ny "mahagaga" anao, fa tsy tonga dia notelominao izay nolazaina taminao.

rhaj0 - 12/05/2016 14:42

stahtamIlay méthode ampiasain'ny science leoko ihany fa ilay résultat avoakany @ alalan'ilay méthode no mitady hitovy @ finoana ihany

Ny "référence"-nao dia (mbola) Finoana foana. Ny fandraisanao ny "résultats" lazain'ny Siantista, dia toa ny fandraisanao "dogme". Ny fahitako azy, tsy ny Siansa no olana fa... ianao (sy ny perception sy analyse-nao)

Efa hoe io no "vérité d'aujourd'hui" (hozy ny Siansa), fa tsy "vérité-dodoria", hozy ny Mpino...

rhaj0 - 12/05/2016 18:07

stahtamDia azo itokiana ve ilay "vérité" "androany"?

Izay azany no takatry ny fahalalan-draolombelona t@ izany ka atao ahoana. Na resaka fahasalamana, na resaka tontolo iainana, na koa fifampitondrana eo @ fiaraha-monina, dia izay izany no nisy teo, ka atao ahoana. Ny "Rahampitso Banjinina", ary ianao izay nahita ilay "fahalalana nivoatra" no mijoro dia miroso hatrany. Toa latsa sy ompa @ izay victime taloha anie raha ohatra ka efa hita fa tsy nety na diso ilay "fahalalana-omaly" nefa dia tsy ahitsy.

Ao anatin'izany "fahalalana-diso-taloha" izany koa ny Finoana... aza hadino.

RavonjisonIlay resaka porofo izany no tsy mitovy ny fandraisana azy.

Ny @ Siansa, dia izay "vérité établie" dia TSY MAINTSY reproductible, ary olona hafa (independent) no ni-reproduire azy.

Ka "reproductible" ve ity "mitsangana @ maty", na koa "rano-lasa-divay", na "miteraka-virijiny" sy izay fabulation an-jatony ao @ Baiboly izao?

Koa na ireo "vavolombelona" milaza manamarina ireto "fabulation" azany, tena mba observateur averti tokoany va re moa?? 

rhaj0 - 13/05/2016 04:49
Ilay izy ry Stahtam dia mila eo koa ny honnêteté (intellectuelle) aaa.. rahefa "diso" ny taloha, dia ekena fa diso, satria izay azany no takatry ny hoza-doha k'atao ahoana; dia miala tsiny ary manenitra sy manarina.

Na resaka ara-pahasalamana io (nivaquine,..) na ara-tontolo iainana (DDT) na ara-piaraha-monina (ny natao t@ amerindiana) na...

Fa TSY teren-ko-tsy-diso toa voalobo-jaza eo.. toa ny Finoana: efa hita izao fa rezonema-n'ny taonjato zero, fahalalana t@ izany taonjato izany, dia efa hita io fa misavoana io, nefa dia mbola anaovana di-doha ampiana tsingolo-batita ihany, dia tere-ko-marina ao..

rhaj0 - 13/05/2016 12:51
Dia tsy mety mi-click mihintsy ilay izy, satria dia tena lalim-paka loatra ilay Finoana ao aminao eee...
stahtamIzany hoe azo eritreretina ho samy mety diso avokoa izany na ny science na ny finoana arakaraka ny fandehan'ny fotoana

Ny "fabulation"-n'ny Finoana aloha tsy hohamariniko, fa ny an'ny Siansa :
1- table rase ve ho'a ry Stahtam ny "fahalalan-draolombelona" raha tsy voazava ilay bigbang??
2- ny incertitude @ Siansa ve k'lou azonao: hoe milanja ianao ao, dia hoe 100kg +/- 5kg, sa +/- 50kg ?? Dia eritrereto ao ilay "demonstration" namen'ilay Siantista anao eee...

stahtamity resaka bing bang ity anefa (izay samy tsy nisy nahita)

Hay ity ilay fanontanianao h@ voalohany: "samy tsisy nahita". Hoe tsisy nahita an'Andrmntra, na koa i Madame Eva (na i Beauboli @ Finoana hafa), ary tsisy nahita koa ny Big-Bang.

Raha ny @ Andrmntra sy Madame Eva ary Beauboli aloha, dia tsy hitako hohamarinina, fa ny an'ny Siansa :
-- toa tsy azonao (takatrao) angamba ny teoria sy rezonema amen'ny Fizisista rahefa manazava ny (tombana) Big-Bang izy..
-- ary koa hoe, ny hoe "mahita", dia TSY izay "hita"-n'ilay masoNAO baribary mijery io ihany ilay izy eee... Saino kely fotsiny hoe, ny astironomia izao, dia tsy ny "visible" foana fotsiny no jerena, fa ny "infra-red" na koa ondes hafa...

stahtamilay CONCLUSION no LAZAINY MIALOHA nefa mbola porofoina hatr@ ankehitriny

Ilay "conditionnement"-n'ny sainao nataon'ny Finoana tao ho'a dia tena henjana be ee....
Efa hoe, ny Siantista rahefa mihaino resaka dia mihaino "demonstration" (porofo...in progress). Ny Mpino dia mihaino "affirmation" (conclusion).

Ka dia hisambodika mivaralila ao foana ianao izany eee...
Aiza moa ianao (taloha) no tsy mino, dia mandrimandry (manan'aretina) ao, fa hoe i Andrmntra mihintsy no mametaka ny masoandro sy ny volana toa ny punaise tetsy @ toile-n'ny lanitra eeee...

rhaj0 - 13/05/2016 21:32
fanamarihana kely fotsiny koa..

Ilay "vinavina (statistika)" sy ilay "fahalalana tsy azo ihodivirana". Arakaraky ny sehatra dinihina io. Ka hoe, "mekanika fizika" (vainga lehibe), sa "statistikalina fizika" (piti-bainga = partikiola).

ka ny mekanikan'i Newton dia efa tsara petrapetraka eee.. Ka raha ataonao tsipi-rano-tay ny baolina basikety ohatra, dia tsy hoe vinavinan-dasantsy io, ka hoe 75%-n'ny tranga dia ho tafiditra foana io, dia izay, fa raha tena rasarasaina ny fanipazanao baolina, ny hery ampiasainao, ny angle anipazanao azy, sns... dia voasoritra ny trazektoara eeee... Jereo ny fanadihadiana an'i Stephen Curry eto. Fa avy eo vao asiana statistika ilay tsipi-baolina (fa mbola averina kely indray, fa TSY ny statistika no mamaritra ny trazektoara)


Entre-pa.. izaho maka Golden State eee... Iza aminareo no maka Lebron? (hi hi hi... hitomany indray i Lebron androany) 

Dia raha entinao @ Finoana indray moa ity baolina, ka rizalahy ireo kosa dia mpivavaka be daholo, dia ... hi hi hi... ny Andrmntr'i Lebron izany mampitomany, fa ny Andrmntr'i Curry no mahery ee...

rhaj0 - 18/10/2016 13:20
Aleo azany averiko indray ny fahazoako azy teo ee...

Nony resin'ny Romana zareo Jiosy tao moyen-orient de l'an zero, dia nanoratra "boky" ny olombe tao.
- dia notantarainy tao ny zava-misy: izay ilay "Tantara"
- fa kosa, nafangarongarony tao koa, na ny Finoany tao, ary nampiany ny ozonozona vengeance-ny @ Romana ny tao (@ Baiboly/Torah tao): izay ilay "Angano


Ka nataoko hoe "Tantara-Angano" ny niantsoako an'ilay izy, satria
- TSY hoe "Tantara" (objectif) momba ny moyen-orient de l'an zero ranofotsiny,
- nefa koa TSY hoe "Angano" (fictif) ranofotsiny.

Dia ilay lafiny "angano" @ ilay "tantara-angano", averiko ihany, ilay lafiny "angano" @ ilay "tantara-angano" no hanambakan'ny mpanambaka ireo mpinomino foana.

Ka ireo Jiosy sasany dia manana intérêt @ ilay lafiny "angano"-n' ilay "tantara-angano".

Dia h@ gasikely, nampinoana ilay "angano", no miboloky dia manompo ny intérêt-n'ireto Jiosy (sasany) ireto. Mody nataony hoe "Tantara" ilay "angano". F'angaha tsy mampahonena.

rhaj0 - 21/02/2014 15:17

NehemiahEfa manaiky izany fa karazana finoana @'ireo manam-pahaizana mandala ny evôlisiona ...

Aleo aloha hazava ity fa sao mifamahofaho ny resaka. Izao hoy ny diksionera

Belief = an acceptance that a statement is true or that something exists.
Belief in religion = a strong belief in a supernatural power or powers that control human destiny;

Ny siansa dia TSY mino "supernatural power" na koa "supernatural being" : Andriamanitra io @ Kristianina; Zeus sy hafa ho an'ny Grika ohatra, Osiris sy hafa ho an'ny Ejiptiana, Appolo sy hafa ho an'ny Romana, GI sy GII ry GIII sy ny hafa ho an'ny Mayan, Andriananahary ho an'ny malagasy taloha,...).

Fa kosa ny Siantista dia manaiky ("mino") ireo lalAna siantifika efa niadian-kevitra sy nifanekena ary nisintomana izao fandrosoana rehetra nentin'ny Siansa izao.
Dia koa, ny Siantista dia misokatra amina lalAna siantifika vaovao, izay mety hifanohitra @ izay efa nifanekena. Fa iadian-kevitra sy itondrana porofo (kirakira sy zava-misy) ary anehhoana ny fitombenan'ny famabahana (methode scientifique) izany rehetra izany.

NehemiahNy siansa voiziko eto aloha dia siansa marim-pototra tanteraka.

Apetrako eto koa ity sao mifamahofaho. Misy koa ny hoe "pseudoscience".

Pseudoscience = is a claim, belief or practice which is presented as scientific, but does not adhere to a valid scientific method.

Tsy milaza aho hoe pseudosience ny anao (efa nilaza aho teo hoe izaho tsy siantifika rezatra ka afaka ny hanazava anao ny lalAna siantifika lalina sy sarotra eto), fa mba mampiditra fisalasalana (doute) kely @ fitompoanao teny hoe "mari-pototra tanteraka" ny anao.

NehemiahOlana lehibe 1 efa eken'ny manam-pahaizana mandala ny evôlisiona maro ny fanontaniana napetrako, na dia tsy hanaiky an'izay ampahibemaso izy ...

Ny siantista dia manaiky ampahibemaso rahefa TSY manana valiny izy. Ivereno ilay debate, ary averiko foana, fa rahefa nanontaniana i Bill, dia hoy izy hoe : TSY haiko. Izany ny "honnetete scientifique".

NehemiahTsy hoe hita ara-bakiteny anaty Baiboly izay nolazaiko etsy ambony...

Ka ilay izy izany ho'a : lasa "fandikaNAO azy manokana" (interpretation) ny arosonao. Ary ny namanao Kristiana ihany no hanipaka anao voalohany.

rhaj0 - 27/02/2014 20:34

rhaj0Ny siansa dia TSY mino "supernatural power" na koa "supernatural being

Aoka aloha hazava mba tsy hisian'ny famahofaho.

Supernatural:
1. of, pertaining to, or being above or beyond what is natural; unexplainable by natural law or phenomena; abnormal.
2. of, pertaining to, characteristic of, or attributed to God or a deity. "

Rahefa tsy manana fanazavana ny siansa dia:
1- miteny hoe TSY hainy.
2- TSY miteny mihintsy hoe Andriamanitra no valin-teny.

Naturalisme est un mouvement littéraire international qui apparaît à la fin du XIXe siècle. Les naturalistes introduisirent dans leurs romans des descriptions scientifiques et objectives des réalités humaines ...

ivereno dinihina ilay fimirana napetrakao

Nehemiah... tsy mitombina mihitsy ny fampitahanao an'i Jehovah an'i Zeus sy Osiris

Mampanontany an'i Google momba ny Andriamanitry ny Grika sy ny Romana na koa Mayan fotsiny aho, ary izay (God=Andriamanitra) no vokabolary fanondroan'ny olona an'i Zeus sy Osiris sy GI ary Andriananahary... Fa samy manana ny fanazavany ny fiainana moa ny sivilizasiona isan'isany, ary dia samy manana (na namorona) ny Andriamanitrany.

rhaj0Tiako marihina koa fa na dia mahafinaritra aza ny fanoritsoritanao ny objectivité tokony ananan'ny mpanao siansa ts11, nofinofy ihany izany : tena miasa be mihitsy ao anatin'ny sainy ny idées reçues sy ny finoany ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana

Ny lalAna sy izay zavatra hita (decouverte) ataon'ny siansa dia iadian-kevitra sy iarahana mamahabaha sy mamakafaka. Ny kirakira/karokaroka noentina dia tsy maintsy naseho ho azo averina (reproductible) ary nisy siantista hafa namerina na nanamafy ny kirakira/karokaroka.

Fa marina ny anao fa izay ao an-tsain'ny olona, ny fitaizana azony, dia misy vokany amin'izay ataony rehetra.

NehemiahAraky ny filazanao, ny tetika ara-tsiansa dia tsy maintsy miainga avy @ observations, ary tokony mahavaly fanontaniana ifotony ny modely ara-tsiansa. Ka nahoana izany no tsy voavalin'ny mpandala evôlisiona @ fomba mitombina ny hoe "Ahoana no nipoiran'ny fiainana ?" Mampieritreritra ihany izany...

Ny siansa dia "miaina"... na raha atao kisarisary: "mbola tsy vita" ny fangalam-piery. TSY matahotra ary TSY mampieritreritra ny siantista izany, fa vao mainka aza mampirisika azy hifoha maraina dia hanohy ny lalao foana (hoy Bill Nye izay).

Ny fahitako azy dia ireo "matahotra ny lalao" no lasa miantsampy amina "fanazavana vita masaka" (reponse toute faite). Dia rahefa miha-hita izay niery, dia ovain'ny mpametsifetsy indray ilay "fanazavana vita masaka".

Nehemiahtsy miteny ho azy ny données fa tsy maintsy atao interprétation mandrakariva.

Tsy kivalavala na peta-toko ny methode scientifique... ny pseudoscience angamba no tianao lazaina...


Haja Razafitrimo Rahefa atao "dia miverina" (à rebours) ny fotoana, dia hita (fitaovana no mijery fa tsy ny maso) fa manao "dia miverina" ho amina bolongana koa ny kasingan-draha (matière) erak'izao tontolo izao. Dia napetraka hoe nipoaka izany io bolongana io, ary atao hoe fotoana 0 no 'nipoahan'ilay bolongana' = big-bang. Fotoana zero, na hoe, tany @ 13.8 milliards d'années tany.

Izay aloha no fahatakaran-draolona (na ny Siansa) azy h@ izao. Ary afaka hazavazavainy izay kasinga (particles) sy ny hery na interaction misy taorian'io big-bang io, ka h@ izao. 

Fa izao. Ny taloha kelin'ilay big-bang dia ... mbola tsy fantatra. Tsy fantatra hoe,
- karazana kasinga (particle) inona no misy, na mi-constituer ity bolongana (satria dia ho matière tena concentrée be izany ilay izy),
- ary karazana interaction inona koa no nisy tao.

Ka izay ny Siansa @ izao taona 2017 izao. Fa dia:

1- atokisana fa ny zanantsika no hanome fanazavana misimisy kokoa aoriana kely. Tsarovy fa tany @ 1920-30s tany io teoria io no naroso.. Ka r@ 2020-30 ve tsy mba misy vaovao indray?

2- raha "tsy fantatra" ny talohan'ny big-bang, dia, izany tsy midika fa fafana daholo ny "fantatra" rehetra taorian'ny big-bang

3- raha "tsy mahafantatra" zavatra sasany ny Siansa, dia izany dia TSY ivarinana any amina finoanoam-poana, magie-magie sy pensée magique, ary légende (sy Baiboly) isan-karazany ireny

4- raha "tsy mahafantatra" zavatra sasany ny Siansa, dia izay indrindra no izotoana ifohazana maraina, ka hikarokarohana ampiasana ilay coco eee... 

rhaj0 - 23/03/2017 13:28
Hotry ny tsy azonao tsara ny Siansa sy ny ataony, fa dia aleo iverenana.

Ny teoria siantifika, dia

1- misy raha (artifacts), misy zava-misy mivaingana sy hita (hitan'ny maso SY fitaovana) manohana ilay teoria

2- ny kirakira, ny approche sy methode dia voafaritra mba hisian'ny transparence, objectivite

3- nohamafisin'ny mpandinika na mpikaroka HAFA, ny fetezan'ireo raha/kirakira/.. ireo, ary afaka norafetiny independemment koa ilay teoria (koa na ianao azany afaka mamerina mandrafitra izany rahefa mahalala ny zava-nisy nifotoran'ilay teoria)

4- cumulatif ary mivoatra hatrany ny siansa


Ka aiza ho aiza @ ireo teboka 4 ireo no "itovizan'ny finoana sy siansa"?? Satria mantsy toa akapokapoky ny mpino toa an'i RKjeanclaude ho mitovy @ Finoana ihany ny Siansa.

Dia valiako ilay fahatakaranao ny Siansa:
- ny loi scientifique dia tohanan'ny porofo. Hafa ny Finoana, TSY mila porofo, na manaiky-tsisy-porofo.
- ny siansa dia TSY (mandany andro) manamarina ny Baiboly sy ny revirevin'ny Grand Manitou. Tsisy raha mivaingana, tsisy kirakira atao @ Grand Manitou na Andrmntra.
- ilay #4, cumulatif sy mivoatra, no mila azonao tsara.

Ohatra raisiko foana, atome de Rutherford sa atome de Bohr? ireo dia modely 2 maneho ny atoma; teoria samy t@ fotoan'androny. Samy notohanan'ny zava-misy/kirakira ary nohamafisina independemment. Fa nivoatra ny Siansa (cumulatif ny fahalalana), ary dia nivoatra ny Teorian'ny atom.

Dia mahatokisa fa ny zanantsika dia ho afaka ny hanazava mazava kokoa an'izany. Fa aza tonga dia mivarina sy mivaralila "mino" hoe, i Jesosy mihintsy no nanefy atoma ho tonga molekiola io, dia izay no ampitainao @ zanakao. Ianao no tsy mahatakatra, fa ny zanakao hahatakatra... dia hihomehy anao.

No comments:

Post a Comment