Menu

Aug 31, 2016

Les Monologues du Vagin

Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Resa-Behivavy ao @ Serasera

rhaj0 - 31/08/2016 18:46
... mila mijery ilay fampisehoana (stand-up comedy) hoe "Monologue du Vagin" (daholo isika ry) namana.


Raha ny marina, na viavy na lahy dia tokony mba hijery an'io.

Dia eritrereto tsara ny eritreritry ny tsirairay ao, raha ny @ vagin, indrindra ny eritreritry ny vhv, nefa tsisy an-kiteny ao. Izao moa efa andron'ny fahalalahana sy transparency, ka dia atreho ny zava-misy eee...

Aza mba manaiky pempopempoin'ny fiaraha-monina na ny fivavahana/finoana raha ny miresaka ny ao @ vatan'olb. Tsisy tokony ahamenatra io.

Mety mba ho asiana hajany sy hasiny (@ izay angamba) izy io rahefa resahina transparent toa io.

Ary aoka ho'a hazava, fa tsy ny lhl ihany no tokony hanisy hajany sy hasiny ny vagin io, fa ny vhv tompony indrindrindra koa. Fa ny lhl kosa aloha dia tena mila mba mi-comprendre ny vhv.

rhaj0 - 01/09/2016 21:28
@ teny gasy moa izany dia "fory" na "kindy" ilay "vagin".

Dia eritrereto anie @ fiaraha-monintsika. "Ompa" na hoe "teny ratsy" no ampiasaina ilay teny manondro ity taova.

FA DIA MANINONA LOATRA?????

Ohatra nefa izao
- ny anglisy hono, ny teny ampiasain'ny kilasy ambany dia lasa "teny ratsy", fa ny ampiasain'ny kilasy ambony no "tena izy". Ohatra: "shit" (ambany) sy "defecation" (ambony)
- ny Quebecquois indray, ny ompa ny azy dia mifandray @ resaka finoana/fivavahana katolika. Ohatra: "ostie" moa hotry ny hoe rehefa laginina, fa "crisse" (christ) no teny ratsy fara-tampony

rhaj0 - 08/09/2016 15:22
Fanamarihana ankapobeny: ny teny frantsay vagin no ho ampiasaiko fa siritsiriko fa misy sahirana mihaino ireo teny gasy, ka manjary manakorontana resaka fotsiny.

Nahita "monologue" iray aho. Dia hoe, maro (loatra) @ viavy hono no TSY nijery na dia in-1 mandeha akoriny azany, TSY nijery ny vagin-ny. Dia nisy ireo izay nohadinina, dia hoe, efa ho izy io 60 taona io vao nahasahy nijery.

ka dia mahalasa saina ho'a hoe, FA DIA MANINONA LOATRA???

Ohatra anefa izao, h@ volon-doha ka h@ hohon-tongotry ny viavy, dia karakarainy, jereny lava @ fitaratra ao na ampihaingoany @ kirarony ao. Fa maninona no toa hotry ny fadiana, na dia jerena fotsiny azany, fa maninona ilay vagin ???

rhaj0 - 10/09/2016 16:46
Dia rahefa mba nahasahy nijery ny vagin-ny hono izany ireto ramatoa, ny sasany efa ho 60 taona @ io, dia hoe, inona no ho lazaina azy...

Io hoe ee... eritrereto ao hoe ry viavy isany, hoe, inona no ho lazainareo @ vagin-nareo rahefa mba jerenareo ao izy? Ho tambatambazanareo sahala @ ireny pisokely ireny ve, sa ho lambolambonareo sahala @ ireny toutoune kely ireny, dia karakarainareo tsara ao, atao madio tsara, dia velombelominareo ao @ safosafo sy orokoroka ee... oops.. raha mahay yoga nareo eeee... 

rhaj0 - 12/09/2016 03:14
hi hi hi... lasa monologue-ko ilay "monologues du vagin". 

Fa tsy maninona izany, fa rahefa nandalo dia namaky ianareo dia efa zava-dehibe. Fa dia samia mamisavisa ao k'lou izany.

rhaj0 - 17/09/2016 16:55
Andron'ny mangarahara moa izao, ary dia nitantara ny fiainan'ny... vagin ireo viavy ...

1- t@ niarahany t@ ilay olon-tiany voalohany hono, dia tena efa niroso tsara iny ilay @ fanaovana azy; fa mbola vao oroka mamy hono no nahazo an-dramatoa dia ... vaky ny toha-drano : kay izy "femme-fontaine", ary nahery vaika ilay excitation.
Dia nefa indrisy ry tava-tsosisy, hozy ny fiteny gasy izay, fa TSY kOpy ny @ izany femme-fontaine izany hono Ilery, ary "rikoriko" teo izy, ary dia rava ny tsena.
Tsy vitan'ny rava ny tsena niaraka t@ Ilery, izay tena nahapotika azy tokoany (et reciproquement alohan'ny nahavaky ny toha-drano), fa tena potika ny fianan-tsex-dramatoa. Nahatsiaro ho "maharikoriko" azy koa ny tenany sy ny vagin-ny, ary dia ... vita teo. Indrisy.

2- mifampitantara eo ry viavy, dia maro mihintsy no tena TSY nahita, TSY tonga @ izany orgasme izany. TSY mahafantatra mihintsy hoe, toatoa ny ahoana izy izany. Fa ny an-dreo izany, dia hotry ny mi-servir ny hanome orgasme ho an-dralhl fotsiny ilay vagin-ndravhv, fa TSY mba mahita fafiny @ sex mihintsy ny vhv.

rhaj0 - 20/09/2016 21:51
Vao androany izao, dia hozy La Verité
45,2 % des femmes âgées d’entre 15 et 49 ans considèrent que « le mari a le droit de battre sa femme à cause (de) ... refuse des rapports sexuels ».

Dia tena tsy natao afa-tsy ny hi-servir ny lhl sy ny orgasme-ny mihintsy izany ny vagin-dravhv, fa raha tsy manao dia voadaroka. Ary ny loza dia na izy vhv azany dia mahita fa normal izany.

Lozabe anie izany eee...

Tena mila resahina ity rizareo f'aza manasitrika loha anaty fasika toa io aaa....

Io sahala @ ilay hoe, ampianaro mandihy valse sy cha-cha-cha ny ankizilahy, fa rahefa mandray sy mifanakaiky @ vhv sy ny vatam-behivavy izy, ka mampandihy sy mampirevy azy am-panajana (satria imasom-bahoaka) izy, dia hanaja ny vhv sy ny vatany koa izy aoriana, rahefa any am-pandriana.

Koa raha ho resahintsika eto "am-p(if)anajana" ny vagin, dia ... mety mba hisy fanantenana ihany va re rey olona aaa ???? Io moa fa efa andron'ny interinety izao eee.. efa 2016 eee....

rhaj0 - 22/09/2016 14:32
Ity resaka vagin ity anie ka tena betsaka ny itsampanany eee... diniho kely anie ny mila dinihina eeee...

1- ny fandraisan'ny fiaraha-monina/kolotora ny vagin; ohatra ny antsika izany dia "ompa' ilay izy

2- ny fandraisan'ny viavy ny vagin-ny: ohatra io ambony io, tsy (sahiny) jerena akoriny

3- ny vagin sy ny sex @ ankapobeny koa ee... ny droit de cuissage, na koa ity manana zo ny handaroka ny bandy rahefa tsy mety manao ny vadiny ity

4- ny vagin sy ny orgasm: ohatra ny vokatr'izay eo @ fifandraisan'ny mpivady, miitatra @ toka-trano sy fiaraha-monina

5- ny vagin sy ny ovulation/periode: ohatra ny fiantraikan'ity hormone miovaova ity

6- ny vagin sy ny menopause ho an'ny zokinjokiny, sy ny fiantraikan'izany @ izay zava-misy ao (mbola hormone miovaova ihany koa io)

7- ny vagin sy ny viol, na ny "culture du viol"; izay indray mantsy izao no mivoitra t@ fidiran'ny mpianatra teo, fa hoe dia misy eraky ny Oniversitia

8- ny vagin sy ny ... clitoris.. ny resaka excision

9- ny vagin sy ny finoana/fivavahana...

10- ...


Resaka lalina daholo ireo.. Nefa dia toa TSISY resaka mihintsy.. Tsisy koa moa ny kilasy any am-pianarana, hoe cours sur le vagin..

Ka aiza ianareo vehivavy eto @ serasera eto eeee..... Dia TSY resahina mihintsy ve ireo, ary dia hihihan'ny tsakaokany eny foana ny zandrikelinareo ao ee ?????? ianareo @ io miaritra trefle ao foana eee... lelafin'ny saka re ny faladianareo ee...

rhaj0 - 28/09/2016 22:12
5- ny vagin sy ny ovulation/periode: ohatra ny fiantraikan'ity hormone miovaova ity

Raha ity no raisina, dia ... ilay hormone miovaova hono ka misy fiantraikany @ vatana sy fo aman-tsaina rahefa tonga fotoanany. Io ilay hoe Premenstrual syndrome (PMS).

Premenstrual syndrome (PMS) refers to physical and emotional symptoms that occur in the one to two weeks before a woman's period.

Ary dia misy milaza fa

1- (mety) miova ny herim-batana; nisy mpanao tennis tena nibaradaka ny @ io (i Venus Williams ve izy iny, tsy tsaroako), fa mbola (minia) nanampi-maso daholo ny rehetra, fa "tsy fiteny" hono izany. Ny elite aloha dia mihinana pilule mihintsy (hono), mba tsy ho korontanin'ilay fiovaovan'ny hormone ny herim-batany

2- (mety) lasa kirintondritona ohatra ravehivavy, ka mety ho tezitezitra ao an-tokatrano ao. Ary raha direktera jeneraly ohatra izany izy, dia ao ny miahiahy fa mety lasa giravy ny fanapahan-kevitra ao. Ny lehilahy mpanambany vehivavy k'lou dia kinga be mihintsy manipika an'izany.

Misy firenena (i Japan angamba izy teo, tsy tsaroako, raha tsy rizareo scandinave indray) mikasa ny hanome conzé rahefa tonga fotoana ny vehivavy.


Ka zava-misy io, ka dia mila atrehina dia resahina eee... ahoana hozy nareo vehivavy eto @ serasera eto???


Raha izaho manokana aloha, raha ny hevitro, dia mi-compr aho, fa dia manohana anareo viavy mandrakariva eee... TSY olana ny (fiantraikan'ny) fiovaovan'ny fo/vatana/saina anareo ao, fa izahay lehilahy koa angaha moa parfait sy constant?

Ohatra nalaza izao hono dia hoe, raha tsy narary noteren'ny kirarony ny tongotr'ilay prezida amerikana (Woodrow Wilson izy teo), dia nety hafa ny fivadiky ny tantara taorian'ny WW1

rhaj0 - 05/10/2016 00:46
9- ny vagin sy ny finoana/fivavahana...

RAha ity indray no raisina dia... ny marimarina kokoa, ny Vehivavy sy ny Finoana/Fivavahana ilay resaka dia...

Efa noresahina tatsy ihany, fa inty izao no teny mivantana, isan'ny voalohany, napetraky ny Andrmntra (kristiana/jiosy) ho an'ny vehivavy, ao @ Genesisy :

Genesisy 3:16 Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka;


Henjana anie izany ee... Raha "mino" an'io ianao vehivavy izany, dia ahoana?
- ho tezitra fa satria, dia maninona kosany no dia io "fahoriana" io no ifandovana mandra-maty?
- ho tezitra, satria, naninona ny lehilahy tsy mba nasaina nilanja "fahoriana" ifandovany ao koa? fa maninona no "miangatra" ilay Mpamorona?
- dia hionona fa ho "fahoriana" foana izany no ho hatrehina, ary ny hadisoana dia an'i Eva (fa TSY an'ilay Mpamorona)?
- ... ??


Dia soa kosa aloha fa efa mandroso izao ny fitsaboana, fa dia asaivo tsindromina ity peridurale ity rahefa miteraka, fa TSISY fahoriana intsony eo, ary dia ho HASAMBARANA ilay manan'anaka, h@ namboarana azy ka h@ ny hitaizana azy...

rhaj0 - 12/10/2016 13:14
6- ny vagin sy ny menopause ho an'ny zokinjokiny, sy ny fiantraikan'izany @ izay zava-misy ao (mbola hormone miovaova ihany koa io)

ity indray dia toa ilay #5 (viavy sy ny ovulation/period) ihany, ka rahefa misaritaka ny hormones ao dia... misaritaka kely koa ny fi(s)ainana eee... Io moa no manjo ny zokinjokiny; mety tsisy zokinjokiny ianareo eto, fa jereo ireo zoky na RaR na i nenitoa, na ireo boss-nareo ao eee..

Izaho nahita ity lalao an-tsehatra iray ity, fa tena tapaka tanteraka ny tsinaiko, nefa koa, tena izay vao azoko, ary tena mi-compr, ary tena manaja ary tena miombo-po sy saina anareo viavy aho.

Menopause, The Musical



Ao @ io lalao an-tsehatra io, dia hita mazavabe, fa misy "manahirana".. satria izany ny fiainana (manahirana). Fa saingy indrisy, ary izay foana ilay izy, indrisy fa TSISY ankiteniteny fa samy miaritra irery any daholo raviavy isany. Dia rahefa mivoaka ny resaka eo @ ilay lalao an-tsehatra, izay vao mifampijery zareo, dia hoe, kay samy voany tao daholo.

Ka io ho'a ry anabavy isany... ndao resahina dia atrehina ny zava-misy, mangarahara eee...

rhaj0 - 12/10/2016 19:04
7- ny vagin sy ny viol, na ny "culture du viol"

Asa raha manaraka ny fampielezan-kevitra @ fifidianana ao Zamerika ianareo, fa dia io mihahaka io ny hadalan'i Trump.. Ilay resakany izay voatahiry .. hoe : "ho pendasiny @ fivaviany" hono ilay ramatoakely. Dia hoe, "avelany manao izany" hono izy, "satria izy olo-malaza" @ tanana.

Izany ilay rangahy (Trump) efa 59 taona no nanao io vava io, ary izao maha-70 taona azy ao io, dia hirotsaka ho prezidan'i Etazonia.

Dia ny ala-siriky nedala, dia hoe, resaka privé io, resaka any @ vestaire..

Fa tezitra h@ mpanao baolina hoe, TSY miresaka hotr'izany zahay any @ vestiaire. Boaikely 14 taona angambany, sady mbola tsipihina ihany, angambany no mety ahavita resaka toa izany.


Fa dia io mihahaka io ny fijery na fandraisan'ny lehilahy sasany ny @ viavy, sy ny fivaviany (sy ny vagin-ny izany eeee).


Dia io ho'a azany, any Zamerika, fa mainka fa any amintsika ???

Misy mahalala ny droit de cuissage tao @ CSR fony androny ve ianareo?? na koa ny eraky ny U, rahefa ny taux mi-passe exam any @ 5% t@ izany?? Ny dokotera sy pasitera/mopera (sasany) rehetra any ??? droit de cuissage??? Na koa, ny nataon-dry mpanao coup d'état?? Iza ilay ministra, ny zava-bitany, dia ny nanafatra ny sipa-n'ny moulin rouge, ary azo sary mibanjina mafy ny vagin-n'ireto sipa vazaha i lery?? I Augustin moa izy teo??

rhaj0 - 27/10/2016 21:38
Ka rahefa tena negativa foana ny fijerena ny vagin, dia mitrifana ny ankizy ankehitrio..

Inty ny resaka ataon'ny Pussy Riot an-kira



Pussy Riot dia mpihira rosiana.. ilay naniratsira an'i Putin, ka dia nogadrainy.

Fa mamely an'i Trump, ilay billionaire amerikana milatsaka ho prezida io, koa zareo eto. Koa raha ilehio moa nilaza fa ny fanaony dia ni-mi "grab her by the pussy", ka dia io vita hira io koa izany eeee...



rhaj0 - 08/02/2017 01:02
Dia miteny irery tokoany ny vagin izany rahefa tonga ny fotoanany... giravy anie izany ry anabavy sy rahalahy isany eee...

http://www.france24.com/en/20170207
In Madagascar, menstruation is considered a shameful and dirty subject, leaving millions of women unaware of what is happening to them, or how to manage their periods efficiently and hygienically.

Aug 28, 2016

We Were Children

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 28/08/2016 20:55
Tena vao avy nijery io sarimihetsika io aho ho'a, fa dia te-hizara, ary tena mampirisika anareo mba hijery koa...
(mba ampiasanareo ilay compassion-n'ny Finoanareo ao ee...)

http://lmgtfy.com/?q=we+were+children
ato ny rohy google mitanisa ny rohy wiki sns...

inty ny preview.


rhaj0 - 29/08/2016 17:24
Ny tena mahavalalanina ahy, dia t@ 1996 vao nikatona ny sekoly farany notantanan'ny Leglizy nanaovana ireo zavatra mamoa-fady ireo.

1996 !!!

Izaho nihevitra foana fa t@ tanjato lasana ity resaka ity, kay 1995 izany mbola nisy !!! Izaho nihevitra fa any @ tany mahantra no afaka "hanararaotan'ny predateurs" (tao @ Leglizy) ny marefo sy ny malemy, fa dia aty Kanada, eo ambany volombavan'ny demokrasia/liberty/transparency/imputability/..., no nanaovan'ireo predateurs ny nataony.

Fa efa niala tsiny ampahibemaso moa ny governemanta kanadiana t@ 2008. Io taona io koa noa niala tsiny t@ aborigenes aostraliana ny governemanta aostraliana. Ary misy tohiny ny fialan-tsiny: compensationS, ary ao koa ny commissionS manadihady marina izay fandehany tao. @ izao gvt liberaly izao, dia mbola miampy isa foana ny commissions ary mivoaka koa ny zava-misy hafa any @ communaute amerindiana any, na fanabeazana na rano fisotro, ka hanampian'ny gvt an-dreo.


Fa h@ izao 2016 isika miteny izao kosa anefa, dia mbola mijery an'i Vatican ny olona. Fialan-tsiny gilobaloba TSY arahin'hetsika, na akoriny azany, mbola miharo fiarovana mafy ilay institution Leglizy (izay miantrano predateurs) no mba nataon'i Vatican.

rhaj0 - 30/08/2016 13:19
Asa ahoana ny valin-ketsikareo, raha mahita ilay preview io ambony io, na izay resaka momba ity sarimihetsika ity, na koa ilay sarimihetsika mihintsy azany:

1- moa ve mirona any @ ireo amerindiana ny fo sy sainareo, sa

2- miombona @ ireo masera/mopera ny fo sy fanahinareo?


Marihina tsara aloha, fa TSY hoe, dia abuseurs sy predateurs (sexuels) daholo ireo mopera/masera ireo, na koa ny mopera/masera rehetra, fanefa kosa, nisy dia nisy kosa ireto abuseurs/predateurs ireto, ary nikimpy, na tsy afa-nanoatra, ireto mopera/masera, h@ Papa, indrindra i Ratzinger, nahita ary nahalala izany abus/predation izany.

Satria mantsy kosany, ireo mopera/masera, dia tena entanim-pinoana, ny hampiditra ary hampanjaka ny kristianisma ao @ ireto amerindiana ireto. Koa averiko ny fanontaniana:

1- moa ve mirona any @ ireo amerindiana ny fo sy sainareo, sa

2- miombona @ ireo masera/mopera ny fo sy fanahinareo?

rhaj0 - 31/08/2016 13:45
Ny fahazoako ny fandehan'ny tantara dia:

1- NIsy fanapaha-kevitra politika ny hi-assimiler-na ny amerindiana. Ny mba ampianarana azy ny fomba fiainana tandrefana, indrindra ny miasa mikarama. Koa hozy ny governemanta hoe, ampianaro ny ankizy, ary napetraka ho lalàna fa "TSY maintsy mianatra ny ankizy".

2- Io moa toa ny ankehitriny ihany, dia izay sekoly mampianatra dia mahazo financement na subvention avy @ fanjakana

3- Ary dia nirotsaka ny Leglizy (sy ny sekoliny) ny handray ireo ankizy.

4- Ny olana dia TSY nisy (nanangana) sekoly teo @ communautE na ny reserves indiennes, ka dia any @ sekolin-degilizy izany no hany aleha. Satria ny lalàna ho'a dia hoe "TSY maintsy mianatra ny ankizy", ary dia noraofina (an-tery) ireo ankizy, noesorina t@ RaR sy ny communauté-ny. Miaramila no maka ny ankizy; (mety) gadraina ny RaR mitsivalana ny andehanan'ny ankizy hianatra.


Eto izany, dia lasana any @ pensionnats katolika ireto ankizy, nisaraka (tanteraka) ary TSY miverina mahita ny RaR (raha tsy efa vita fianarana).

rhaj0 - 31/08/2016 19:56
1a. @ ilay politika "TSY maintsy mianatra ny ankizy", dia niitatra h@ hoe, "kill the indian in the child". Tsy haiko inona ny firehan-kevitr'izay governemanta kanadiana t@ izany fotoan'androny izany, fa izay aloha no vava mandeha (na "didy").

2a. @ ilay mahazo "financement/subvention", dia "nalaza" ho tena fatra-pitady ary mahay mahazo ry Katolika. Tsy ny sekoliny ihany no azahoany, fa h@ "hopitaliny". Nalazabe taty aoriana ohatra, fa ny "asile" (toa ireny pk 18 any amintsika) katolika, dia (manery) mampiditra olona izay SALAMA SAINA, satria fotsiny... "tsy mivavaka" angaha ilay olona, ary dia soketaina ho "marary saina" (marobe ny horonan-tsary, tantara sy documentaire mitatitra an'io).

3a. Rahefa "hampianatra ny ankizy" ny Katolika, dia "katesizy" no asesiny voalohany ary asesiny hatrany, ary dia "diaboliser"-ny izay rehetra tsy katolika na kristiana. Io dia
- h@ fiteny (langage), lazaina fa "english is God's langage", izay hita tao @ ilay sarimihetsika io ambony io,
- ka h@ fombafombam-piainana madinika andavanandro; hoe TSY avela manao kisari-na soavaly ohatra ny ankizy, satria ny soavaly dia midika libertE...

4a. Ny herisetra sy fanerena, dia nitohy tao "an-tsekoly" (katolika). Ankoatry ny abus physique, kapoka sy vono ary isolation, izay fomba fampianaran'ny "taloha", dia nisy, ary be loatra akoriny azany, ny "abus sexuel". Ny "abus" dia tsy hoe attouchement tsotra fotsiny fa tena VIOL, ary ilay viol dia natao tamina zaza madinika. Ny pretra lahy mamango boaikely sy sipakely, mbola pre-ado, latsaky ny 10 taona tsy ferana, sahala @ ilay notaterin'ilay sarimihetsika io. Koa na ry masera/mamera azany dia mamely koa, araka ny notantarain'ilay documentaire hitako in-1 mandeha izay koa: noteren-dRangory ilay boaikely, ary tena nikorontana mihintsy ny fi(s)ainany.


Ny olana lehibe, dia nisaraka, na angaha hoe NASARAKA tanteraka t@ RaR sy communautE-ny ny ankizy, ka dia
- tsisy ray sy reny hanambitamby ireto zaza, nefa anie dia mbola kely mihintsy izy, 6-7 taona, no (noterena) niditra ity pensionnats (katolika)
- tena TSISY afaka hanampy, na ny hihaino fotsiny azany, tsisy olona hafa ankoatry ny ao @ pensionnats mifandray @ zareo,
- tsisy safidy (alternative), fa raha mitady zavatra hafa dia vao maika hiharan'ny abus (physique ET sexuel) sahala @ notantarain'ny horonantsary io

Ka dia vao mainka tena henjana be ny fangejana (emprise), ary tsy hita eritreretina mihintsy izay vokatry ity nataon'ireto "sekoly" (katolika) t@ ireto zaza, fa tena mahavaky .. fanahy.

rhaj0 - 01/09/2016 16:59
Tena misaotra ry Lahindroy mampahalala ny aborigene aostraliana koa.

Inty indray ny preview an'i Rabbit-Proof Fence, izay horonantsary mifototra amina tantara niainana.


Fa dia @ anaran'i Jehovah Andrmntra (an'ny fotsy hoditra) daholo moa no nanaovana izany, an-tery sy an-kerisetra izany, izay niitatra h@ fanandevozana tao Aostralia (tany @ 1930s tany) sy h@ abus sexuel tao Kanada (efa 1996 vao vita)..

Ilay ranamana amerindiana dia nivaky vava hoe,
"mba karazana Andrmntra inona koa azany izany Andmntran-drizareo izany"

rhaj0 - 01/09/2016 18:41
Dia i Kanada sy Aostralia moa io efa mivoaka mangarahara io, ary efa niala tsiny sy nifona tokoany ho'a ny governemanta roa tonta t@ 2008, t@ ireo voan'ny tsindrihazolena 150.000 tany Kanada sy 100.000 tao Aostralia...

Fa ny hita sy reko koa, dia ry Belges koa no tena isan'ny giravibe t@ nanjana-tany, ary raha ny fahazoako azy, dia tena genocide no nataony, satria ny isa voalaza dia efa ho 13.000.000
Ato ny wiki momba an'i Leopold
https://en.wikipedia.org/wiki/King_Leopold%27s_Ghost

Ary inty ny preview


Fa io moa, mbola tsisy an-kiteniteny ben'ihany, fa mbola ho avy ee... mbola ho avy.

Dia efa mikisaka miha-mikisaka aty amintsika moa io ny resaka.. fa mbola ho avy eee..

Fa alohan'ny ikisahany, dia mbola averiko an'ny Kristiana (sy katolika ary Protestanta) eto @ seraserantsika ihany ny fanontaniana :

1- moa ve mirona any @ ireo amerindiana sy aborigene sy congolese ny fo sy sainareo, ireo olona ireo izay niharan'ny vono/herisetra/fanerena/viol/... nataon'ny fotsy hoditra (@ anaran'i Jehovah Andmntrany), sa...

2- miombona @ ireo mpitory ny kristianisma (mopera/masera/pasitera...) ny fo sy fanahinareo, ireo olona ireo izay tena nentanim-pinoana tokoany ny hampanjaka @ fomba rehetra (an-katerena sy an-kerisetra ary am-panimbazimbana ny an'ny hafa) ny Kristianisma @ olona rehetra?


Aug 12, 2016

Arabo sy Israeliana sa... Moslimo sy Jiosy?

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj0 - 12/08/2016 16:09

stahtamnisy faminaniana niseho momba an'i Ismael ... Resaka ankapobeny no resahina ... Problème mondial ny adin'ny Arabo sy ny Israeliana

Tsara rahefa tonga saina ianao ry Stahtam, fa ny olana dia ny "Arabo sy Israeliana" fa TSY ny "Moslimo sy ny Jiosy".

Ny fahitako azy, ary hitako fa io takatrao io koa, dia ny OLANA dia ny TANY.

Ary io takatrao tsara io koa, fa ny Israeliana dia mampiasa ny Finoany/Fivavahany hanamarinany ny maha-tompo-tany azy. Hainao tsara koa fa ny Jiosy dia hatrany Etiopia, Maroc ka hatrany Rosia. Ireny Jiosy ireny dia efa mikalamina any @ TANY misy azy aby any. Fa ny Israeliana moa, manamora ny immigration, ka dia mitady tany malemy hanorenam-pangady ny Jiosy sasany, dia mi-IMMIGRER, sahala amiko mi-immigrer aty Kanada ihany io, nefa dia mody asiana hoe.. "miverina @ taniny ny Jiosy eee"

Dia takatrao tsara koa, fa ny Moslimo dia efa hatrany Indonezia (any akoriny aza no tany be Moslimo indrindra eto an-tany).. ary TSISY idiran-drizareo ny adi-tany any Moyen-Orient.. Fa ny Arabo sasany no mampidipiditra ny finoana, dia misaritsarika ny sasany hanohana ny adiny.

Io sahala @ ireo sekta be dia be any amintsika eee... ohatra ilay tary milaza-tena ho Hebreo io izao, asa inona no nampidirina tao an-dohany. HIverina any Hebreo hono ny gasy tonga saina sa inona kabariny ao ????

Ka eritrereto tsara ee...aiza ho aiza @ ireo ilay "faminaniana"?

Ny fahitako azy koa, dia ireo "minomino foana" ny faminaniana ao io, averiko ary tsipihiko kely akoriny azany, ireo "adala minomino foana izay faminaniana any", no mampifandray (mandray tsy raisina) an'izay situation ao.

Asa ianao raha mahita ireo fandaharana @ TV sy boky be dia be, izay miresaka ny faminanian'i NOstradamus. Ka i Nostradamus hotry ny nanoratra toa ny poeme ary an-kisarisary be dia be. Dia avy daholo izao adala sy hendry izao, dia milaza fa, izao poeme izao hono dia ny WW1 eee.. izato poeme izato kosa hono dia 9/11 eee... Dia aholakolana ao ny poeme-n'ilay NOstradamus, dia midingidingina be mihintsy ireo expert @ izany hono, sady mahazo vola ihany, satria betsaka koa no "adala minomino foana izay faminaniana any", dia mitelina sy miboloky izay abobony ao.

rhaj0 - 28/11/2016 14:49
O ry Stahtam sy Tealala.. hono ho'a, ngo dia ianareo, na ny mpiaraka aminareo no mivoaka gazety io? Fantatrareo ve i Nihatsara ohatra?

http://www.jpost.com/Diaspora
... The Jewish community is mostly middle class, said Netsarh — most members earn enough to make ends meet but not to put aside any savings.

Some members of Madagascar’s fledgling community started practicing Judaism around 2010, but they became officially Jewish in May...

Netsarh is working on producing the first-ever Malagasy translation of the the Five Books of Moses and the Jewish prayer book. So far, she has completed the book of Genesis...

rhaj0 - 19/10/2016 03:42
http://geopolis.francetvinfo.fr/madagascar-terre-fertile-pour-l-islam-radical-119777
La Gazette de Madagascar le 20 Septembre 2016.

«Ils font tout pour créer des écoles coraniques. Ils prennent en charge ceux qui les fréquentent pour apprendre le coran. Tout est pris en charge. Même l’hébergement et la restauration sont garantis... Une bible était reprise moyennant 100 euros. Les livres de chants évangéliques pour 25 euros. Des groupes de musulmans parmi lesquels de nombreux étrangers ont sillonné la région. »

Selon un rapport publié par l’Institut français des relations internationales, quelque 160.000 malgaches ont été convertis à l’Islam pour la seule année 2013. L’auteur du rapport estime que si ce chiffre est sans doute excessif parce qu’il intègre des individus ayant proclamé leur conversion dans l’unique but de bénéficier des donations d’associations religieuses...



ka raha ny feo mandehandeha kosa ve hoe
- raha mivavaka any @ Silamo hono ny olona, dia @ ilay mamela kiraro ao am-baraavrana, dia rahefa mody, dia misy drala ao anaty Kiraro
- raha mivavaka any @ FFKM anefa, dia ny vola am-posy indray no miala @ rakitra in-10 kely miditra
- raha mivavaka any @ sekta (toa ny an-dry RBNIR) azany, vao mainka ny 1/10-karena no manaraka

rhaj0 - 19/10/2016 16:51
Fa inty misy fanadihadiana ny @ io fivadihan'ny Kristiana ho Moslimo io. Jereo tsara fa Kristiana toa anao ihany no nanao ny fanadihadiana. Tsingolohako eto ny zava-dehibe lazainy.

http://www1.cbn.com/spirituallife/why-are-so-many-westerners-converting-to-islam
What is motivating people to turn to Islam? ... main reasons given for becoming Muslim:
1- Islam's doctrine is simple and rational,
2- all believers are equal,
3- it is a "practical" religion,
4- lacks a priesthood
5- racism in the church
6- Islam--is direction and discipline
7- Islam offers a conversion experience and the opportunity to get one's life in order, without needing to confess ones sin and need of salvation.