Menu

Nov 17, 2016

Astraolojia sy Astraonomia

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)


Haja Razafitrimo Inona ny ifandraisan'ny Astrolojia sy Astronomia. 

Ara-pamaritana dia :


- Astrology is the study of the movements and relative positions of celestial objects as a means for divining information about human affairs and terrestrial events.

- Astronomy is the scientific study of the universe and the objects in it, including stars, planets, nebulae, and galaxies. Astronomy deals with the position, size, motion, composition, energy, and evolution of celestial objects.

Marina fa samy mandinidinika ny kintana sy izay vainga "any ambony any" izy roaroa ireo, fa ny Astrolojia dia mamorona, manampy ka mampisy dikany "masina" (asan'Andriamanitra na koa mazia-mazia) ny fipetraky ny kintana "any ambony any", ary ampifandraisiny @ fiainan'ny olona "ety ambany ety an-tany", ary tsipihina mazava fa izany dia mifototra @ Finoana.

Ny Astronomia, @ maha-Siansa azy (fa tsy Finoana), dia tsy mampifandray izay misy "any ambony any" sy ny amintsika "ety ambany ety", satria moa, taratry ny (tsy-)fahalalana ity "any ambony" sy "ety ambany" izany.

Inty misy video youtube maneho ny tontolo manontolo
https://www.youtube.com/watch?v=BdWuU-epZ6c



Haja Razafitrimo Ny @ fandinihina ny "ao ambony ao"... na ny "astrolojia".

Ohatra iray lehibe, dia ilay kintana nolazaina fa fambara ny @ nahaterahan'i Jesosy, ka nitarika ny Magy ho any Betlehema. 


Hoy ny mpandinika:
http://www.sciencepresse.qc.ca/archives/man221297.html
... les mages, qui étaient aussi des grands prêtres au service des rois, étaient à l'affût de signes dans le ciel. Or Jupiter était la planète des Rois, et Régulus, l'étoile des Rois... Quel Mage n'aurait pas vu dans cet extraordinaire rapprochement entre ces deux astres un signe de Dieu?

Ka nifanojo (conjonction) izany 
- i Regulus, izay kintana (etoile) any ivelan'ny système solaire, atsy @ 78 années-lumières, izany hoe eo @ 74 10^14 km (misy zero 14) , sy
- i Jupiter, izay planeta ao anatin'ny système solaire, atsy @ 588 millions de km

Ka samy manjelatra ireo roa ireo, ka rahefa nifanojo, dia tena nanjelajelatra be, ary dia, hoy ny Magy hoe, tena "fambara" iny.

Alaivo sary an-tsaina ny toe-pahalalana nananan'ny olona t@ taonjato zero: koa na ny Tany aza dia tsy fantany fa mihodidina manodidina ny masoandro, mainka moa, fa tsy fantany akoriny izany hoe kintana/système solaire/planeta izany.

Koa @ izao toe-pahalalana ananan-draolombelona izao, ny @ planeta/kintana/galaksia, dia ... tsy hanontani-tena va ianao hoe, inona ny hidiran'ny ireo kintana mihodikodina "any ambony any" sy ny "atao ety ambony Tany ety"; ny planeta Tany @ io dia taim-bovoka kely ao anatin'ny tontolo manontolo.



Nov 6, 2016

Fifidianana Amerikana 2016

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Politika ao @ Serasera

rhaj0 - 07/11/2016 02:04
Izay prezida amerikana ao moa dia manana influence betsaka @ fiainan'ny firenena sy olona rehetra eto an-tany eto. Ka dia ... raha hisy fiantraikany @ tena ihany izy ity, dia mba zaraina ny eritreritra ny @ izany eeee...

Izaho dia maka an'i Hilary. Satria :

1- mba vehivavy no tompon'ny fahefana (politika) ambony indrindra (ao Zamerika ao); mba hotarafin'ny anabavy sy zanaka vavy rehetra fa afaky ny ho toa izany koa izy. Niara-nahita teo izao fa i Obama prezida mainty, dia inspiration ho an'ny mainty, ary raha ny fahitako azy, toa an'i Kofi Annan tao @ UN ihany, dia mba miova (ho tsara) ny fijerin'ny hafa ny mainty.

2- i Hilary dia mihilana ankavia na Liberaly @ resaka politika, izany hoe
- TSY mijabaka @ fiainan'olona (individuel) ny Fanjakana. Midika hoe pro-avortement, na hoe ny viavy no tompon'ny teny farany @ tenany, na koa pro-LGBT, na ny vivre et laisser vivre-n'ny Liberaly.
- Mila mijabaka @ fiainana ekonomika ny Fanjakana raha azo atao. Midika hoe, hampihatra impots (ho an'ny mpanankarena) ohatra, ary izany dia ho ampiasaina hanaovana lahasa (investisma...) ho an'ny besinimaro. Na koa hanampy/hanamafy ny didy aman-dalana raha ny momba ny tontolo iainana...
Fa ny zava-dehibe iray koa, dia mba ho Juges mihilana ankavia koa no ho fidian'i Hilary ho ao @ Cour Supreme amerikana ao.

3- raha ny traikefany, dia ho misimisy ny fiarovana na fampandrosoana ny zon'ny viavy sy izay politika Liberaly. i Obama koa izay mainty, ary activiste mainty fony fahatanorany, dia nampandroso ny cause mainty araka izay azony natao. Fa ny system politika amerikana moa compliqué (check and balance, federalism, lobbyism, ...), ka dia tsy tena hoe hanao fahagagana akoriny i Hilary @ io, fa mba hisy firosoany ny @ ireo.



Ny fanakianana reko @ Hilary, dia hoe

1- izy efa ela no nihosina tao Washington.. NEfa moa, raha TSY nihosina toa izany i Donald, dia mbola mila ireo olona "nihosina tao Washington" ihany koa izy.

2- izy dia hoe "mandainga" na tia kinafinafina. NY hitako dia hoe, "manafina/mandainga" toa antsika rehetra ihany i Hilary, "white lies", izay matetika hiarovana tena na olona hafa na ilay system (a harmless or trivial lie, especially one told to avoid hurting someone's feelings). Ny an'i Donald indray anefa rehefa "mandainga", dia ilay mi-"bullshit", izany hoe, tena lainga/fitaka BE ahafahany mahazo zavatra (tsy @ ara-dalàna).



Na dia nandaginina azany ny nanaraka ny fampielezan-kevitra amerikana teo iny, dia raisiko ho "fianarana"

1- Nihahaka teo ny toetra ratsin'ny sasany (manana vola/fahefana). Ny fijery (sy fanaovana z'inona na fanalikana akoriny aza), ny fijerin'i Donald ny vehivavy, ny kilemaina, ny Arabo/Silamo, ny Meksikana sns... dia niarahana nahita fa dia mbola misy, ary misy koa ny manohana, ny fisainana toa izany. Ka dia mbola mila miady @ io habadoana BE io foana ihany izany isika rehetra, fa mbola tsy vita io na dia ao Zamerika ao azany.

2- Nihahaka koa ny paika ratsin'ny sasany (manana vola/fahefana). Ny fanodinana ny business tsy handoa hetra, ny fanodinana fondation mody hoe manao asa soa. Nihahaka ny herin'ny vola eo @ politika.

3- NIhahaka koa ny "white lies" an'i Hilary sy ny email-ny. Anatra ho antsika rehetra izany, indrindra ireo politisiana, fa efa andron'ny mangarahara izao, indrindra ny eraky ny interinety.


rhaj0 - 07/11/2016 13:37
Inona no ifandraisan'ny politika amerikana @ fiainana na fiainam-pirenena malagasy?

Ny politikan'ny Republican/Democrat dia voavelabelatra eto ohatra, https://www.devex.com

@ ankapobeny, raha ny fahazoako azy, dia misokatra koakoa ny hanampy ny Tany mahantra ny Dems. Ny Reps kosa dia TSY marisika @ izany, raha tsy hoe, tena misy "interet"-ny tokoany ao. Marina fa ny Dems koa milaza ny "interet amerikana", fa raha ny fahatakarako azy, dia
- ny an'ny Dems, dia hoe, milamina ny tany, ary afaka mi-bizina (daholo) ny bizina.
- ny an'ny Reps kosa, dia ireo corporate bevolabe manohana azy, dia manantena ny iverenan'ny ekolazy naloany ho avo 10 heny ohatra.

Fa mampieritreritra tokoany fa ny Reps no teo t@ voadaka Radidy, ary Dems no teo t@ iny coup d'etat iny. Ka (tsy) nanampy ve ny Reps/Dems?

Raha ny fahazoako azy, dia hotry ny hoe latsa-pitia t@ Ra8 ny tao @ White House t@ ireny 2000s ireny. Hoe, toa ilay "American Dream", dia "you can be what you wanna be", ka mpivaro-dronono dia lasa prezida. Sady @ izay, raha an-kisarisary, dia tena revy kapitalisma be ny an-dRa8, nefa ny an-dRadidy dia revy miaramila (jadona). Dia tena nanampy tokoany moa izy, ary i Mada azany (miaraka @ Honduras) no tena mba tiany ho ohatra velona @ fahombiazan'ny politika amerikana, @ ilay Milleniium Challenge-ny. Tokony mba win-win situation iny, nefa moa dia rava sy potiky ny coup d'etat.

Ny t@ coup d'etat indray, dia ... raha mbola ny fahitako azy ihany, dia hotry ny laony ihany ny Amerikana (ilay ambassa) ny @ nataon-dRa8, izay nokianin'ny BM na FMI izy teo. Saingy tsy mailo zareo, fa ireo mpanao coup d'etat anie ka TSY @ "interet american" koa, ary pire akoriny aza. Efa lasan'ny kivindro ny hena, izay Obama vao taitra, ary namely fantsy t@ 26 Juin, ka TSY niarahaba ny mpanao coup d'etat izy, fa nilaza fa manantena ny iverenan'ny demokrasia.

Fa rahefa Hillary no ho eo (faniriana ny ahy, ary enga anie), dia mino aho fa hanampy an'i Mada foana ny Amerikana, ary @ "ara-dalana" izany, izany hoe,
- manaja lalàna ny mpitondra eo, manaja ny fahalalahana ary koa miambina ny sécurité...
- ary mahay ny mekanisma fahazoana fanampiana sy fanaovana bizina, mahay izany noho ny hafa, na mpitondra na mpanao bizina gasy.

Ka miankina amintsika ihany io izany, raha ny fahitako azy.


rhaj0 - 07/11/2016 17:31o
Fanampiny kely @ "fianarana" azo

4- Io izany fa toa ny zava-drehetra, dia ny mahaliana ny olona dia ny "fialana hamohamo" fa tsy ny zavatra "sérieux".
- I Donald dia miteniteny mipoapoaka (mba tsy lazaina hoe lainga foana) ary miteniteny tsisy fotony (@ hevitra hoe tsy mitombona tsisy fahamarinany koa), nefa dia mihaino sy mankafia na manaraka foana ny olona SY mpanao gazety.
- I Hillary anefa sérieuse ary manome antsipiriany conceptuel sy teknika, nefa dia laoniny ny olona ary tsisy mihaino SY mpanao gazety. Dia voatery manao attaque koa i Hillary farany.
Ka ny hevitra dia rahefa mibahana eo @ haino aman-jery hono, na @ ratsy na @ tsara, dia lasa malaza ary misy ny lasantsy ny ifidianana na itiavan'ny olona anao (satria mba fantany ianao)

Dia hita izany fa ny mahamaika ny mpampita vaovao, dia ny azahoana mpanaraka betsaka. Ny mitatitra resaka a scandales dia averimberina, fa ny fandalinana sy fanadihadiana toa lalovana fotsiny. Ny loza dia rahefa mandainga na misy miteny ratsy, dia mipariaka eraky ny gazety, nefa avy eo, rahefa sirika, dia toa tsisy resaka. Ny dégats @ io efa vita.


5- mahavariana fa na dia hoe ao zamerika azany io, mba heverina fa mba efa mazava saina, dia mora voajonon'ny mpamitaka ihany ireto olona: rahefa averimberina ny teny iray (ohatra "law and order" na hoe "lower tax"), na koa resaka iray (hoe "olon-doza i Hillary"), dia miraikitra ao an-tsain'ny olona izany, TSISY fanadihadiana ary TSISY fandalinana akoriny izany.

Fa ny mampivanaka ahy dia hoe, ahoana azany ny mpiasa madinika mino ary miady ho @ "lower tax" ohatra.
- ny Tax-ny raha mba hihena, dia ho 500$ raha betsaka, Ny an'ny mpanana anefa mikepoka 1million tsy ferana. Dia nefa, rahefa tsisy tax ao @ kitapom-bolam-panjakana, dia tsisy vola amboarana lalana ohatra. F'angaha i Rampanana mivaky loha fa ny 4x4-ny vao mainka miasa tsara. Ny an'iilay mpiasa madinika, potika ny fiara, tsisy asa ny mpanao lalana.
- hoe ny vola-na tax tsy naloan-dRampanana dia lasa investisma ka ahatsara ny ekonomia ("trickle down"). Io aloha efa fantatra fa TSY nety t@ andron'ny Reagan, nefa dia mbola arangarangan'i Donald ihany, dia mino tokoany ny olony.

Ny Biznessman dia manana reflexe ny haka tombony foana, fa TSY hanao soa iombonana izany (altruisme). Ohatra i Donald hono manana fondation. Fa ny mividy sary hoso-doko lehibe maneho ny sariny no nataony. I Donald hono manome vola am-posiny ho an'ny propagandiny. Nefa io vola io kay naloany ho an'ny hotel-ny izay nanaovany ilay propagandy. Vao t@ roa sa telo volana koa ohatra ilay orinasa Bombardier aty dia namena volam-panjakana mba avotana hono. Niherina ny volana, fa noroahiny ny mpiasa an'arivony.

Ka dia raha ny fahitako azy, ary mampalahelo, dia ireto olona dia "mitolona ho an-dRampanana" toa an'i Donald. Ary ireto olona minomino an'izany dia hita mazava fa ireo ... "déplorables" hozy i Hillary izay, na raha tsorina, dia ireo "white trash" hozy ny tsy mpanao ilay "politically correct", tsy dia nahita fianarana ary mahantra.

rhaj0 - 09/11/2016 17:42
Dia inona tokoany moa izany ny fiantraikany "mivantana" @ Malagasy @ ity nahalany an'i Donald ho filoha amerikana izao ity.

1- ny tontolo iainana.
T@ niaraka tamin-dry Obama azany dia efa henjana be ny nahazoana ny Amerikana mba hiaraka @ firenen-drehetra hamaha ity global warming ity. Izao anefa i Donald dia efa nilaza fa hanipaka an'io, fa resakabe fotsiny, hoz'izy, izany "changement climatique" izany.
Raha tsy manohana ny ezaky ny firenena rehetra @ io ny Amerikana, dia hihahaingana ny faharavana, satria ny tany hafa koa ho tsy te-ahalala. Nefa ny Amerikana no voalohany mahatonga ny faharavana. Ary misy fiantraikany tokoany amintsika io.
http://www.lagazette-dgi.com
5ème pays le plus vulnérable au monde au changement climatique pour les 30 prochaines années d’après le classement de l’organisation indépendante américaine Maplecroft, Madagascar voit tous ses secteurs d’activités socioéconomiques affectées par ce problème.

2- ny tribonaly internasionaly.
Tsy hiresaka izay politika raharaham-bahinin'i Donald ao aho, fa ity zavatra mahakasika antsika ihany. Na t@ Obama azany dia efa TSY mba miaraka @ ankamaroan'ny firenena rehetra ny Amerikana. i Donald dia vao mainka henjana be @ io. Ka dia izay jiolahim-boto hafa rehetra koa izany dia tsy hita ho enjehina eny @ tribonaly internasionaly intsony
https://en.wikipedia.org/wiki/United_States_and_the_International_Criminal_Court

3- ny fifandraisana ara-barotra.
Tsy dia nisy resaka aloha ny @ io t@ propagandy. Fa @ ankapobeny, dia "isolationiste" i Donald, izany hoe, tsy misokatra @ isokafan'ny tsena (ALENA,...). Ny AGOA moa fifanarahana h@ 2025, nefa moa, i Donald dia efa nitrifana foana fa ho korontaniny hono izay rehetra nifanarahana, raha hitany fa hoe "bad deal" ho an'ny orinasa amerikana. Ka dia efa kaodikaody daholo ny olona.
http://www.timeslive.co.za/politics/2016/11/09
Nefa anie io no mba (n)ahafahantsika ... tsy hiankin-doha an'i Renimalalan'ny sasany lava io


4- Fa ilay fitondra-tena manokana
Ny nasehon'i Donald teo, h@ nataony efa taloha be, dia ... nahavaky fanahy izay nanaraka iny propagandy iny: Izany ve no ohatra amena ny Ankizy? misogyne, raciste, islamophobe, bully... mandainga i Donald mba ahafahany mahazo zavatra...

5- Ary ilay fitondra-tena-na politisiana
Dia mbola vaky fanahy daholo ihany izay nanaraka iny propagandy iny: Izany ve no ohatra amena ny mpanao politika any @ tany mahantra toa antsika ohatra? Ilay hoe, raha tsy mandoa impot dia satria hono "smart" izy, dia eo ihany, fa maro be ireo lainga be asosasosany ary averimberiny. Na dia efa tsipihina aminy azany fa hoe dia vavany taloha ilay izy, dia anaovany bemarenina, fa ny azy ihany no asesiny sy averimberiny.



Be dia be no mbola azo resahina, fa hotry ny negative loatra aho... asa ve hoe, mila manao ezaka mafy aho izany hitady ny positive @ ity, fa izao aloha dia ... izaho aloha zareo dia tena valaka tanteraka aaa... tena valaka tanteraka ho'a.