Menu

Jan 23, 2017

Ny Niomerolojia

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)

Haja 

Hoy Ralarosy hoe:
Numerologie: Art supposé de tirer, de l'analyse numérique de caractéristiques individuelles telles que le nom, le prénom, la date de naissance, etc., des conclusions sur le caractère des personnes et des pronostics sur leur possible devenir.

Io izany dia hoe: ny "isa" hono, rahefa atao analizy, dia miteny ny momba anao, na koa izay tranga eo.

Ohatra izao, ny isa 9, jereo ohatra ato @ ://www.01numerologie.com/signification-et-symbolisme-du...
Le 9 est le symbole de l’idéal, du savoir, du spirituel, ...

Izay izany ny an-dry Vazaha, fa amintsika Malagasy indray anefa, ny isa 9 dia lasantsy, na ny marimarina kokoa, ny 7-mbenana.

"Numerologie" daholo izany. (Vokatry ny) "Analizy"-na isa nataon'ny "mpandinika" (hono), ka mampifandray ilay "isa" @ izay tranga eo.

Ka rehefa toatoa io ny fivoakan'ny "numerologie", dia mino aho fa hihomehy fotsiny ianao. Nefa moa, raha mbola te-"hino" ianao, dia hilaza fa "numerologie" TSY tena izy ireo ohatra ireo.

Ka dia jerenao indray izany ilay "tena izy" (tianao inoana)...
-ny 7 andro ao @ Genesisy, na koa ny loza 7 sy trompetra 7 atsy @ Apokalipsia
- na koa ny hanim-7 loha, sy ny 7 lahy sy 7 vavy @ Malagasy

Raha manao "analizy" ianao, dia hanontany tena hoe, maninona koa no (najanona) @ 7??

Raha tohizinao ny "analizy", dia izany rehetra izany, dia mifototra @ "finoana":
- "Mino" ilay numerologie. 
- Mino = manaiky-tsisy-porofo. 

Eto izany, tonga dia manaiky(tsisy-porofo) ireo "mpino" fa ny isa 7, dia isa "feno". Ka dia (n)atao im-7 daholo ny zava-drehetra.

Rahefa takatrao izay, dia ... hihomehy fotsiny @ izay ianao raha misy miantsena dia, akondro 7 ihany ny azy dia basy eee... 

Jan 16, 2017

Abus sexuel 2017

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Finoana sy Fivavahana ao @ Serasera

rhaj0 - 16/01/2017 14:56
Dia tena valaka tanteraka aho zareo, valaka tanteraka maheno t@ radio vao teo, ny @ fipetraky ny abus sexuel any @ Oniversitia ao Quebec, @ izao taona 2017 izao.

Nanontaniana viavy efa ho 1000 eraky ny U ao Quebec farany teo, ary dia
- eo @ 37% no niharan'ny abus (et violence) sexuel
- eo @ 25% no nahita nanatrika mivantana abus (et violence) sexuel
- nefa dia ny 90%-ndreo viavy ireo dia TSY nitaraina
- ireo mba nitaraina, dia notamoraina (banalisée) ny resaka, na akoriny aza, voapempo (culpabilisée) ilay viavy voany
- eo @ 50%-n'ireo viavy ireo no mitaraina fa tena misy vokany ratsy eo @ fiainany (na vie sexuelle, na professionelle, na sociale)

Tena valaka tanteraka aho. 2017 ny taona, ary aty Kanada io. Mainka fa any Dago ohatra??


Ka ilay izy any @ U..

Io izany hoe, @ izao isika miteny izao, dia misy viavy any, eo @ 300 isa, ka dia rava (tapany) ny fiainany eee..

Dia izany hoe koa, ireo abuseurs eo @ 300 isa koa izany, mbo iza???
-- mety hoe bandy ho lasa dokotera sa avocat sa polisy ???
-- ary ngo dia mpampianatra akoriny aza moa izany zareo ???

http://www.lapresse.ca/actualites/education/201701/15/01-5059860-violences-sexuelles-a-luniversite-un-fleau-bien-reel.php

rhaj0 - 18/01/2017 15:09
Ato misy manazavazava ny fandehany any Dago (2013 fa mino aho fa mbola tsy lany andro):
http://www.irinnews.org/feature/2013/

... a survey carried out in 2011 in three cities - Antananarivo, Diego and Tulear - found that about 30 percent of women reported having experienced domestic violence at least once in their lives.
(..)
Those women willing to talk about their problems tend to first go to the head of the fokotany or neighborhood, who is viewed as the village elder. The fokotany will then negotiate on the wife’s behalf, often without results.

The next step is the judiciary and the police, but very few women get this far. “To sue a husband, you need a medical certificate. This costs 6000 Ariary (US$3) and many women can’t pay this,”...
(..)
Under Malagasy law, perpetrators of domestic violence can get up to 10 years in jail or a fine of 1 million Ariary ($500), but these laws are rarely implemented, because women rarely press charges.

dreamlover14 - 01/03/2017 19:58
Io resaka io kosa aloha dia arakaraka ny définition an'ilay hoe abus sexuel eh ;

inona no tna atao hoe abus ? resaka fijerevana fitombenan'olona ve azo antsoina hoe abus ?

rhaj0 - 07/03/2017 16:52
io izao ho'a, tsaroako foana i Jaojoby nanao fampisehoana... Mitsipelipelika hita ny silipon-dry Eusebia sy Roselyn, fa mitsiky fotsiny i Bainina eee...

Fa ilay "maso mijery tsy mitondra mody" aloha dia... toa samy manao daholo ihany, na vavy na lahy.

Fa rahefa tonga @ ilay fibanjinana sampona iny kosany, dia ... "tsy fahalalam-pomba" izany, fara-fahakeliny eee... Io ohatra toa ny hoe, misy olona marary na sembana, dia avontirikao eo ny masonao.. Mba avela ny olona mba hiaina (ny reviny) eee....


Fa misy milaza hoe, "abus" ny ataonao raha ohatra ka rahefa mieritreritra kely ianao, dia
- tsy sahinao atao @ Ivadinao, na ny reninao sy anabavinao, na zanakao vavy akoriny kay ilay izy,
- na hoe, tena tsy ekenao ny hanaovana toa izany @ Ivadinao, na ny reninao na ny anabavinao, na zanakao vavy


Jan 9, 2017

Ny fivavahana.. ny aty sy ny any

Notsongoina avy tatsy amin'ny Forum Fivavahana/Finoana ao @ Serasera

rhaj - 02/12/2003 20:22
Nisy fandaharana t@ tele taty Kanada, omaly.. ny foto-dresaka dia ny hoe afaky ny hiara-hiaina
anatin'ny "pluralisme" (religieux) ve isikana.. tafiditra @ izany h@ atheist...

ny hany tavela ato an-tsaiko dia ireto. (raha misy diso izay tantaraiko eto dia miangavy ny namana hanitsy/hanampy...).

Hoy ilay ranamana iray (Sikh izy)..

k'izy ity anie sahala @ilay tantara-kisary hoe, nisy jamba maromaro asaina mitsapa elefanta, ary milaza hoe inona ilay izy. Samy milaza ny "truth" tsapany. Dia nefany, "zovy" moa no afaka hilaza-tena fa "mahita", ary hilaza fa ny fahatsapany no "tena izy"? "zovy"?

dia nanamafy ilay ranamana iray (Hindu izy)..

ny ampianarin'ny antitra (hendry) anay, dia jereo ho'zy ny tendron'i Himalaya... marobe ny lalana mitondra mankany (segaondera sy otorouty ho'zy nareo).. ka "zovy" moa no afaka hilaza hoe ny "lalana misy azy ao" no
"tena izy"?

ny piraobilema teo mantsy dia, nisy ranamana iray, kristianina-evanzelisita izy. Izy dia manaiky koa ilay tantara-kisary-elefanta sy lalana-mankany-Himalaya, fa ny tantara-kisary nanampiany azy dia hoe..

sahala @ mankany @ dokotera anie izy ity e.. dokotera samy hafa mety hilaza samy hafa.. ka raha mahalala aho hoe, ity dokotera ity no "tena izy", dia mahatsiaro manana "adidy" ny hilaza ny rehetra aho f'izay no "tena izy"...

nisy kristianina iray (united church izany) moa nanala-tena t@ hevitr'ilay kristianina-evanzelista, ka nilaza hoe ilay "diversity" dia ekeny sy hajainy, ary akory aza, mampanankarena na manamafy orina ny "finoany"; ary izy (zareo) dia tsy handresy lahatra ny hafa hoe "midira aty aminay"..

Dia ho'z'izy: "accident at birth" anie ny naha-kristianina ahy.. raha tany Arabie aho no teraka, dia mety ho mosilimo-kely-sambatra. Dia ho'zy ilay Hindu nanamafy hoe: izaho, dia jiosy-kely-sambatra, bodista-kely-sambatra... ny tiako lazaina, dia ny anarana no samy hafa, fa ny fikatsahana sns.. dia mitovy ihany..

Fa hoy ilay Sikh hoe.. ny "religion" (aminy) dia sahala @ hoe "path" mitondra.. mankany-mankany. Ao anatiny ao ianao, tena mbola "eo am-pikarohana". Ny teny hoe Sikh dia midika hoe mpianatra. Nanamafy ilay Hindu, f'zareo koa, na ny tenany aza dia efa hananany "doute" fa "tsy-mahalala": tsy ao anatin'ny soatoavin-drizareo ireo mihintsy ny hilaza fa "izao no tena izy".

Dia hoy ilay Sikh.. ny "religion" (isan-karazany) anie dia ahatongavana @ tsara... sy ny ratsy. Raha ny tato ho ato, dia nampiasaina ho @ "ratsy" ilay izy. Ny olana dia ny "sasany" dia mihevitra fa ny azy no 'tena izy", zony izany, nefany izany dia ampiarahiny @ "action" ataony @ hafa. Ilay hafa @io tsy mitovy hevitry aminy. Ary izany no anton'izao "ratsy" rehetra hiainantsika izao..

Ny isan'ny namaranan'ilay Sikh ny resany dia..

ianao ao @ Finoanao ao, asa-mitohy-goavana-tsy-vita mihintsy ny fitadiavanao ny hankany-hankany.. k'aza tsindritsindriana ny hafa ny @ finoaNAO. Ny anao hatrehina, fa ilay "mpamonjy" no hisarika ny hafa hankany-hankany, toa ny nisarihany anao. Ary anay izay tsy mitovy aminao, mba ameo zo zahay @ ataonay ao @ "fitadiavanay" ato, ameo zo zahay, ary zonay akoriny aza 'zany, na ho diso aza..

rhaj - 17/11/2003 19:33
Izao hono no zavatra mety hitranga:
1- misy Atra
2- tsy misy Atra
ary izao no safidinao:
a- mino fa misy Izy
b- tsy mino fa misy Izany

Ka ireto aby izany no mety ho fipetrany:
1a- misy Atra ary soa (!) fa mino ianao
1b- misy Atra nefa indrisy (?) fa tsy mino ianao
2a- tsy misy Atra nefa mino (?!) ihany ianao
2b- tsy misy Atra ary ianao moa tsy nino rahateo (!!)

Koa iza no "ho" marina? Ary inona no "ho" vokany?

- raha 1a- dia ... mety lasa any @ paradisa, na "reincarne" na ... (araka izay finoanao) ianao... rehefa manaraka ilay "fombafomba". Raha tsy nanaraka ilay "fombafomba" moa ianao dia mety lasana  any @ afobe, na lasa "valala" ohatra, araka ilay "finoana" handrefesanao ilay "ho aleha" io...

- raha 1b- dia ... alefan'Izy any @ afobe, na ataon'Izy lasa "valala" ianao... (ilay Izy @ io dia ... ilay Izy e...)

- raha 2a- dia ... "sambatra" (angamba) ianao tao @ ilay "finoanao" tao fa ... @ andro farany dia tena tsisy vokany/dikany/... akory izany...

- raha 2b- dia ... tsaratsara ho anao ny mampa-"sambatra" anao ao @ fiainanao ao...


F'izany hoe "tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza" hono ilay finoana (toa 1a- sy 2a- mantsy no tsara-safidy @ireo raha ny lojikany).

Ka raha toa anefa (sanatria) ka tsy tonga aminao ilay izy, dia aza manahy fa misy (ohatra, ny 60%-n'ny Scientists, na koa aza ny 78%-n'ny Physicists) miombom-pijery (ary miara-very?) aminao.

Raha tonga aminao moa ilay izy dia... araho tsara ny "fombafomba" fa izay no tsara indrindra... raha ny lojikany...



... ka dia... anao ny safidy. F'izany hoe hajao koa ny "safidin'ny hafa" raha sanatria tsy mitovy ny aminao.

hery - 05/02/2014 22:45
Nahafinaritra ny nanaraka ilay adihevitra nataon'i Bill Nye izay siantifika sy i Ken Ham izay mpandala ny resaka fahariana tao amin'ny Youtube. Mbola azo arahina ilay izy (amin'ny teny anglisy)



Mampatsiahy an'ireo "creationnistes" eto amin'ny serasera, izay mpandray ara-bakiteny ny baiboly ho toy ny tantara tena nisy.

Raisiko ho famintinana ilay hoe fahamarinana ara-pinoana ny baiboly fa tsy fahamarinana ara-tantara.

rhaj0 - 06/02/2014 17:49
Ny fahazoako azy, dia i Ken Ham, sy ny ireo manarakaraka azy, dia te-(hamerina) hampanjaka ny "Fampianarana avy @ Baiboly" eo @ sehatry ny "Fampianarana sy Fanabeazana". Miara-mahita fa miha-very hatrany ny famehezan'ny (Mpitondra) Fivavahana ny olona, satria ny hafatra (avy @ Baiboly) entin'izy ireo dia TSY maharesy lahatra intsony. Izany no izy dia satria ny fanazavana, ny fampianarana, ny fomba fisainana ary fomba fiaina entin'ny Siansa dia mifanipaka @ tian-drizareo vohizina.

Ary dia ataony "mivoatra" ilay hafatra ahafahany miverina hanindry ilika indray. Ny tsikaritro, dia misy teny roa no ventesin'izy ireo : "historical science" sy "intelligent design". Afangarongarony amina vokabolary (sy fanazavana) siantifika ny resany, ary tsoriko, hamitahany na hanjonoany ny olona indray. Ny fahatakarako azy, dia ity ataon-dry Ken Ham manafangaroaro ny Siansa sy ny Fivavahana ity no tonga @ fitenenana hoe "if you can't convince, confuse."

rhaj0 - 07/02/2014 17:51
Siansa ara-tantara (historical science).

Ny fahazoako an'i Ken Ham, dia io voambolana io no nampidiriny hanondrony ny "famabahana/fandalinana/fikarohana/..." lazainy fa ataony rahefa hitady na hanolotra fanazavana momba ny "tantara" sy izay "lalAna" an'izao tontolo izao izy. Sarahiny @ tondroiny hoe "observational/operational science" io "historical " io.

Ny fahazoako ny fototry ny hevitr'i Ken Ham dia hoe
1- ny "observational/operational" dia TSY afaky ny hanazava ny "historical",
2- ny hoe "historical", dia satria "METY" ho "samy hafa", izay no averimberin'i Ken, mety ho samy hafa @ lalAna efa mipetraka mazava @izao fotoana izao ny lalAnan'ny natiora taloha, 6000 taona lasa, fony Adama sy Eva, na akory aza, 4000 taona lasa, fony Noah.
3- ilay "historical" an'i Ken anefa, dia miafara foana ihany @ ilay BOKY: efa ao foana, hoy izy, ny valin-teny.

rhaj0 - 07/02/2014 18:27
Siansa ara-tantara (tohiny)...

Hoy Nehemia:
Citation
Samihafa ny siansa ara-panandramana sy ny siansa ara-tantara, satria tsy hay anaovana fanandramana ny lasa...


Io tokoany koa no averimberin'i Ken Ham. "observational/operational" tsy mira "historical". Miitatra izany @ hoe, ny "observation"-nao izao, dia "mety" tsy mitombona na tsy mihatra t@ fotoana taloha (6000 taona, fony Adama sy Eva, na 4000 taona, fony Noah)

Dia hoy aho hoe ... raha fantatrao fa 84 taona i Dadabe, dia TSY mila hoe mahita (observation) an'i Dadabe zaza menavava ianao vao "mino" fa teraka ary efa teto an-tany izy t@ 1930. Fantatrao ary efa voaporofo toatoa ny ahoana ny lalAnam-piainana sy ny natiora. Be dia be ny ohatra navoitran'i Bill Nye ny @ taonan'ny zava-manan'aina maro sy ny namaritana izany.


Izay no lazaiko hoe "if you can't convince, confuse." LalAnan'ny natiora efa voaporofo efa ela, ary efa nisintomana sy nahafahana nanaovana izay teknolozia hitantsika hiainana ankehitrio izao no ataon'i Ken Ham mifamaofao eo.

rhaj0 - 07/02/2014 18:45

Nehemiatena miditra an-tsehatra be mihitsy ny idées reçues efa ananantsika momba ny niandohantsika rehefa mandinika ny zava-misy ara-tsiansa.


Ny fahazoako azy, ary iainako ilay izy, dia izao:


1- ny siantifika indrindra aza no misokatra @ hevitra vaovao, tsy manisy olana ny handraisana teoria na petra-kevitra izay mety mifanipaka @ efa napetraka teo aloha, raha toa ka voazava sy voaporofo mazava koa ilay vaovao.

Naverin'i Bill Nye teo, fa raha maha-porofo ny "fahariana" ianao, dia misokatra ny siantifika hihaino ary hanontany anao. Ny hany lazain'i Ken Ham anefa dia... ilay "Boky". Ka tsy haiko hoe, aiza sy iza no "idees recues" : ilay efa "recues et acceptees" ao anaty Boky, sa ny teoria siantifika mivoatra araka ny fivoaran'ny fahalalan-dRaolombelona.


2- ny siantifika dia mitsotra rahefa tsy manana valin-teny; ary naverimberin'i Bill Nye hoe, izay indrindra no tena mamparisika azy hitady valin-teny sy hanohy hikaroka foana.

Izaho izao ohatra dia manaiky hoe, rahefa ahemotra ny fotoana, dia nisy ny Big-Bang an-tapitrisan-taona lasa. Dia hoy ianao, inona no talohan'ny Big-Bang? dia hoy aho hoe, TSY fantatro. Fa afaka 10 na 20 taona, dia mety hanana ny valin-teny ho anao raolombelona. Ataoko fa izay koa no ho navaliko raha toa aho ka niara-niaina @ Galilee, rahefa sahy i Galilee nanohitra ny mpifehy ny fiarahamonina (ny Kristianina) ka nilaza hoe boribory ny tany.

rhaj0 - 07/02/2014 20:01
Miala tsiny fa diso kely (sa be) aho. Ka ahitsiko kely (sa be) : Tsy hoe i Ken Ham no "nampiditra" ilay voambolana, fa kosa "naolan'i Ken Ham" ny dikany mba hifandray @ kabariny.

Rational Wiki
http://rationalwiki.org/wiki/Historical_and_operational_science
"Historical science" is a term used to describe sciences in which data is provided primarily from past events and for which there is usually no direct experimental data, such as cosmology, astronomy, astrophysics, geology, paleontology and archaeology. The term is often misused by creationists for any science that "interpret[s] evidence from the past and includes the models of evolution and special creation."[1] It is used to designate those sciences which creationists have complaints about, such as evolution and abiogenesis, and is the opposite of operational or experimental science.
"Operational science" (not to be confused with Operations Research) is a term coined by creationists for any science that "deals with testing and verifying ideas in the present and leads to the production of useful products like computers, cars, and satellites."[2].
The term "Operational science" and the creationist understanding of "Historical science" are not considered valid scientific terminology, and primarily appear in arguments presented by creationists about whether ideas such as abiogenesis, evolution and the Big Bang Theory are really scientific.


rhaj0 - 07/02/2014 21:42
Fivavahana sy Siansa..

Raha ny fahatakarako azy, ary samy nianatra filozofia kely daholo isika rehetra, dia ny Fivavahana dia akaiky kokoan'ny Idealista, ny Siansa akaiky kokoan'ny Materialista. Ka raha ampifangaroanao voraka ireo, dia mifangaro voraka ny resaka.

Fa izao no maha-samy hafa antsika ry Nehemia, raha ny fahitako azy. Ohatra momba ny Big-Bang.

Hoy aho hoe, Big-Bang an-davitrisan-taona lasa, ary TSY fantatro ny talohan'ny Big-Bang, fa kosa, izay tsy-fahalalako izay indrindra no manosika ahy hikarokaroka sy hitady valiny, ary hanaraka ny kirakira ataon'ny mpahay (siansa) azy. Tsy olana amiko ny mitoetra ao anatin'ny tsy-fahalalana, satria mahatoky aho fa ho voavahan-dRaolombelona foana ihany ny olana, na ho ela na ho haingana.

Fa kosa, hoy ianao hoe ahoana?

Tonga dia "mino" marin-drano aho, fa ny ho lazainao dia hoe : "hoy ny Baiboly" (izay foana koa moa no valin-tenin'i Ken Ham). Fanefa kosa :
- izay lazainao eo anefa dia araka ny fandikaNAO manokana azy ao (ny namanao kristianina ihany no hanipaka anao voalohany eo).
- ny (hany) "karokaroka sy kirakira" mba ampirisihanao dia ny "mikarokaroka sy mikirakira ilay Boky."


Ka fanontaniako : raha toa ka voataiza lava ho toa izay ny ankizy sy ny tanora, dia manosika azy harisika ny hikarokaroka sy hikirakira (ny tontolo) ve izay fomba fijery/fisainana/fiaina izay?

Io no tahotra lehiben'i Bill Nye, ary naverimberiny lava tao @ ilay debate : ho very ny amerikana raha izay ventesin'i Ken Ham izay no atao foto-pisainana sy foto-piainana.

rhaj0 - 09/02/2014 23:27

NehemiaTsy nilaza mihitsy i Ham fa "samihafa" ny lalàn'ny natiora taloha sy ankehitriny


Ivereno ilay fifanakalozana etsy @ Youtube namen'i Hery. Io mihintsy no nolazain'i Ken Ham rahefa tsy afaky ny hanazava ara-Baiboly ny zava-misy hita (observed) izy.

Ary dia navoitran'i Bill Nye :
- ireo sosona vato tatsy @ Grand Canyon izay ahitana sisa-na zava-nanan'aina t@ fotoan'androny
- ireo sosona hita avy t@ ranomangatsiaka (carotte de glace) nosintomina tany @ tendro-tany avaratra (pole nord)

ireo sosona ireo dia afaka azavaina toa toa ny soson-kazo (ecorce) izay miforona isaka ny taona rahefa mitombo ilay hazo. Ary isaka ny sosona dia ahitana ny sisa-na zavananan'aina velona t@ fotoan'androny.

Ary dia mazavabe fa :
1- tombatombana voalohany, dia efa an-tapitrisan-taonany na lavitrisa akoriny aza (fa tsy ho 4000 taonan'i Noah) ireo sosona eny ambany.
2- tsy nifangaro ny zavanan'aina velona tamina fotoan'andro samy hafa (raha nisy tokoany ilay tondra-drano fony Noah, dia ho nikorontana sy nifangaro ireo sisa-na zavananan'aina ireo)

(tombatombana voalohany hoy aho : TSY ilavana carbon datation akoriny ny isintomana izay fanazavana izay)


Ny fahitako azy, dia kepoka tsisy avaly an'izany i Ken Ham. Ary dia ahodiny ny resaka: ampidiriny ny famaofao. Dia hoy izy:
1- ka ny lalAn-java-boahary dia "mety" ho samy hafa @ lalAna araka ny iainantsika izao
2- ka ny fotoana araka ny andrefesan'Andriamanitra azy dia samy hafa @ fotoana araka ny fandrefesantsika azy izao, ka raha hoy Izy hoe 6000 taona, dia "mety" ho an-tapitrisan-taona tokoany izany amintsika izao.


Dia averiko ihany. Fandikana (interpretation) manokana an'i Ken Ham izany, ary famaofaona (confusing not convincing).

Ary dia ny namany Kristiana ihany no manipaka azy voalohany. I Pat Robertson dia evanjelista izay maro mpanaraka tokoa... mino aho fa mihoatra ny isan'ny krisitiana Malagasy no isan'ny kristiana manaja sy mankatoa tanteraka an'i Pat. Hoy izy taorian'ny debate :

Pat Robertson
http://www.christianpost.com/news/pat-robertson-to-ken-ham-lets-be-real-lets-not-make-a-joke-of-ourselves-114063/
Pat Robertson to Ken Ham: 'Let's Be Real, Let's Not Make a Joke of Ourselves'


rhaj0 - 10/02/2014 21:43

rhaj0
Ny fahitako azy, dia kepoka tsisy avaly an'izany i Ken Ham. Ary dia ahodiny ny resaka: ampidiriny ny famaofao. Dia hoy izy:
1- ka ny lalAn-java-boahary dia "mety" ho samy hafa @ lalAna araka ny iainantsika izao
2- ka ny fotoana araka ny andrefesan'Andriamanitra azy dia samy hafa @ fotoana araka ny fandrefesantsika azy izao, ka raha hoy Izy hoe 6000 taona, dia "mety" ho an-tapitrisan-taona tokoany izany amintsika izao.

Dia averiko ihany. Fandikana (interpretation) manokana an'i Ken Ham izany, ary famaofaona (confusing not convincing). 


Fomba iray fanaon'i Ken Ham (fomba mampifamahofaho raha ny fahatakarako azy), fanampin'ireo 2 eo ambony dia :

3- Ny fandikana ny baiboly (interpretation) dia araka ny fandehan-dresaka ao: "tokony" raisina ara-baki-teny (litteral) rahefa @izay ilay izy, ary "tokony" raisina ho kisarisary (metaphor) rahefa @izay ilay izy...

Satria notsongoin'i Bill Nye izy hoe, raisinao ara-bakiteny tokoany ve ny ao @ Genesis sa ...


Ka dia, raha araky Ken Ham izany, raha ny fahazoako azy, dia samia manao ny fandikany (interpretation) na ara-baki-teny na ara-kisarisary, arakaraka fandraisanao manao ny fandikana azy ao.


Farany, ny @ Noah, mba tsy hiverenana @ izay intsony, dia inty nisy raha hitan'ny mpikaroka:
Citationhttp://religion.blogs.cnn.com/2014/01/28/new-discovery-raises-flood-of-questions-about-noahs-ark/
A British scholar has found that a 4,000-year-old cuneiform tablet from what is now Iraq contains a story similar to the biblical account of Noah’s Ark.


Ny tiana ho lazaina dia ny tantaran'i Noah (ao anaty Baiboly) anie ka "mety" ho tantara nifandovana ary voasoratra t@ io "4,000-year-old cuneiform tablet" vao hita tany Iraq io.

rhaj0 - 18/02/2014 20:02
Ilay famahofaho (confusion) ampidirin'ny mpino (na i Ken na koa i Nehemia) dia, raha ny fahazoako azy, dia fampidirana fisalasalana (doute) @ lalAna siantifika izay efa niadian-kevitra lavabe, ary efa nifanekena, ary nisintomana ireo zavatra maro mifototra @ ireo lalAna siantifika ireo izay ampiasaintsika ankehitrio.

Marina fa miteny ny siantista hoe "tsy fantatro" rahefa misy raha tsy fantany. Fa kosa ny lalAna be dia be ary efa mazavabe (nefa mbola anisihan'i Ken fisalasalana) dia efa "fantatra". Efa nilazan'i Bill foana i Ken hoe, ento ary ny porofonao, ento ny zava-misinao (facts or observations), fa vonona ny hiaino ny siantista. Fa ny hany porofo entin'i Ken dia ny Baiboly. Tsy afaky ny manamarina ny Baiboly @ Baiboly ianao.


Ilay "famahofaho" (confusion) lazaina fa ampidirin'ny tsy-mpino (toa i Bill) dia, raha ny fahazoako azy, dia "confusion" ao anatin'ny mpino, satria voatsikera (ary toa voahozongozona) ilay finoany rahefa mitondra fanazavana lojika ireo siantista.

rhaj0 - 13/07/2017 13:46

Fa jereo eto ny @ fihanaky ny fivavahana isan-tokony







rhaj0 - 31/07/2017 18:35
rhaj0atheism : disbelief or lacks belief in the existence of God or gods.
theism : belief in the existence of a god or gods.
monotheism : belief in the existence of one God.
polytheism : belief in or worship of more than one god.
suffix -ist : a person, one who does an action... artist, linguist, pianist

Dia vinavinao @ izany ity..

https://referentiel.nouvelobs.com/file/rue89/2bc3dc2d27592fd3c6bc9c1ad5198015.jpg

- Ka hoe, mba misy firy % @ olona eran-tany no "religious person".
- Dia io nefa, firy % @ ireo "religious person" ireo no Kristiana.
- ary firy % @ ireo "Kristiana" ireo no "tena izy".
- ary firy % @ ireo "tena izy" ireo no lasa any Paradisa (144.000).
- ary firy % @ ireo "lasa any Paradisa" ireo no miaina @ izao fotoana izao.