Menu

Mar 6, 2017

Ny Sakafo

Notsongoina avy tatsy amin'ny Mba Diniho Kely (MDK)

Haja Razafitrimo Mahaliana tokoany ny famelabelaran'i Lanto, satria mandrisika
- fampieritreretana sy fanadihadiana lalina kokoa, ka mampandinika ny "honohono" (fa tsy tonga dia manaiky manara-drenirano)
- mampijery ny lafiny siantifika, ny fanazavana na koa ny fampiha
rana, eo @ fiainana andavanandro.

Fa tiako marihina kely, dia rahefa mamadibadika sy mandalindalina ny toa izao, dia mila sarahina ny "Siansa" sy ny "Indostria". Ireto ohatra maromaro (lavabe-gazetibe) hampazava ny tiako ho lazaina.

Baomba atomika
- hoy ny Siansa: iny atoma-na Urianium iny, dia mety ho lasa @ "fission", ka mamoaka angovo mahery be.
- hoy ny Injeniera: koa raha izany, afaka ataoko anaty vata vy izany io, dia apoaka toa ny baomba.
- hoy ny politisiana: ampiasaintsika handresena ny fahavalo.
- hoy ny miaramila: eo andarohako azy.
Ka eto izany, tsy ny Siansa mihintsy no nilaza hoe, ndao darohina Hiroshima. Entre-pa fa io izao no namparary mafy ny eritreritr'i Einstein, fa tsy mba nijoro dia nanohitra ny baomba izy.

Dia inona ny ifandraisan'ny resaka sakafo @ izany hoy ianao? Inty azany ohatra isan-karazany...

Hot-dog
- hoy ny mpandraharaha: tia hot-dog ny vahoaka, fa ndao hamokatra aman-taoniny.
- hoy ny injeniera: eo fa anaovako fitotoan-kena géant ianao. Fanefa, tena mety ho latsaka ao indray anefa ny voalavo.
- hoy ny siansa: raha latsaky ny 0.01% ny taha-na "fandoto", dia azo lazaina fa mbola madio ny "siny".
- hoy ny mpanjifa: ity ve ilay "hanina sahaza ho anay eee"???

Omby mifaha
- hoy ny mpandraharaha (sasany): azahoako mamokatra omby aman-taoniny, dia nafatratro tanaty hangar zareo, nefa moa, sady mangery no misakafo izy ao, ary dia voan'ny "maladie de la vache folle', izay avy @ staphylocoque-n'ny tainy tao ihany.
- hoy ny siansa: ny staphylocoque dia matin'ny Ammonia.
- hoy ny injeniera: eo fa anaovako douche géante ianao, dia mandro @ ammonia ny omby alohan'ny hamarotana azy. 
- fanamarihana: ny ammonia koa no ampiasaina hanadiovana gabine, ary toxique ilay izy.
- hoy ny mpanjifa: ity ve ilay "hanina sahaza ho anay eee"???

Dia miitatra ihany @ resaka akoho na trondro:
- hoy ny Siansa: ny protein dia mahabotrabotra; ary io dia mety azo avy @ biby (proteine animale) na zava-maniry. Ny antibiotique dia mamono bakteria.
- hoy ny mpandraharaha (sasany): ndao hafahy ny akoho, na koa ny trondro, ary amena proteina sy antibiotique hanafainganana ny fitombony.
- hoy ny mpanjifa: ity ve ilay "hanina sahaza ho anay eee"???

- hoy ny siansa: ny monosodium glutamate dia masirasira tian'ny tenda-kanina; dia ny sulfites koa, sady preservative no masirasira @ tendabe.
- hoy ny mpandraharaha: tia lasopy sy charcuterie ny vahoaka, fa afaka amarotana aman-taoniny
- hoy ny injeniera (simista): eo fa anamboarako vetsin sy sulfites ianao.
- nefa indray hoy ny siansa ato aoriana: ny MSG dia.. a toxic substance.. can cause diabetes, adrenal gland malfunction, seizures, high blood pressure, excessive weight gain, stroke and other health problems; Sulfites can trigger severe asthmatic symptoms... can be fatal.
- dia hoy ianao mpanjifa: dia ahoana izany io raha alohan'ny hihinanana azy, dia mety ihany ve raha asiana hoe, "tahio ny sakafonay"???


Mety tsy hino ianao, fa avadibadiho azany i Raneny Gogola, dia zahavo ao hoe, ahoana ohatra io "vache folle" io, na ny MSG, na koa ny "fiompiana" trondro Basa ohatra ataon'ny Vietnamiana sy Sinoa, na koa ny "omby" ataon-dry Amerikana... 

Nefa kosa, tsy hoe dia toa io daholo anefa ny sakafo misy eraky ny tsena eny. Averiko ihany fa TSY toa izany daholo, fa arakaraka io. Nororitiko @ extreme ilany ny resaka sakafon'i Lanto. 

Ny tiako ahatongavana, dia ny tsirairay amintsika, dia
- (mila) mahatakatra hoe ahoana ny zava-misy, 
- (mila) manitatra sy manadihady hoe, ahoana tsara ny ao ambadiky ny rideau ao, 
- alohan'ny mandray fepetra sy misafidy,
- fa tsy tonga dia mandray amam-bolony ny "honohono", na koa ny dokam-barotry ny Indostria (izay mampiasa ny siansa @ tombotsoabe manokana)...


Izaho manokana dia tena torovana @ resaka sakafo. Fa ny fanapaha-kevitray, zaraina aminao eto, dia
- miezaka mifady conserves, charcuterie, tsy mihinana @ ireny McDo ireny, fa ireny no fahanan'ilay indostriabe "henabe".
- raha tsisy safidy, dia tsy hohanina matetika, ary tsy hohanina betsaka, ireny trondro na akoho, na charcuterie na conserves indostrialy be ireny.


Ho anareo any Dago: dia sambatra anie ianareo fa tena mbola madio ny sakafo any eee.. aza ankasarotina @ vokatra indostrialibe toa ny aty @ tany (milaza-tena fa) mandroso.
Manage
Haja Razafitrimo Miresaka OGM i Lanto io ambony io. Ny fahazoako ny (isan'ny) ataon'i Monsanto, izay kompania andrarezina @ io resaka io, dia..
- namboatra fanafody (simika) izy, mamono ny bibikely sy ahi-dratsy (pesticide/herbicide)
- namboariny kely ny gene-n'ny voan
-javatra hahatanty io fanafody io (miampy fikafika hafa koa mampatsara na manafaingana ny famokarana).

Ka eo izany, entre-pa, ny Siansa milaza fa afaka manao an'izao sy izao, fa ny Indostria (Monsanto) no nampihatra. (hotry ny averimberiko io, fa tsy izany manko fa saro-piaro @ Siansa aho).

Dia inona anefa no (tsy) olana @ OGM?
+ ny greffe sns anie efa "manipulation" ihany, fa eto izany, itsabahana any @ microscopique ny kirakira.
- ny vokany ambadika (effets secondaires) anie mbola TSY voaporofo, satria fotoana lavalava vao (mety) ho hita izany
+ ny fahombiazana @ famokarana mampiasa voan-javatra OGM anie.. koa na i Vatican azany mba manohana, satria dia ny fahantrana sy ny hanoanana ef an-tenda
- kanefa na ny voa natioraly toa lasa potehin'ity voa vaovao ity (lasa tsy miteraka). TSy lazaina ny tsindry aloka ataon-dry Monsanto, manery ny mpamboly tsy hampiasa afa-tsy ny voan-javatra OGM-ny, na koa ny voka-dratsin'ny voan-javatra Monsanto, izay efa malaza any Amerika atsimo (fa toa nampanginina)
+/- ... afaka manampy petra-kevitra +/- eto koa i Lanto..

Raha izaho manokana, rahefa nahare ny @ io Monsanto io (tsikarohy @ gogola ange ee) dia tena valaka tanteraka ho'a; ka dia...
+ "hatoky zao-dahy mahay manefy" ve, satria raha ara-siansa, dia toa tsy mahita olana @ OGM zareo
- sa ho mailo, dia aleo aloha tsy hiditra @ izany, ngo dia "pataloha tery" io, ka poritra ao ihany farany ny ain-dehibe, satria io iaraha-mahalala fa ilay Indostria dia tena toa fangolika giravy...


Dia averiko ihany ny tiako ahatongavana, fa ny tsirairay amintsika, dia tokony
- (mila) mahatakatra hoe ahoana ny zava-misy, 
- (mila) manitatra sy manadihady hoe, ahoana tsara ny ao ambadiky ny rideau ao, 
- alohan'ny mandray fepetra sy misafidy,
- fa tsy tonga dia mandray amam-bolony ny "honohono", na koa ny dokam-barotry ny Indostria (izay mampiasa ny Siansa @ tombotsoabe manokana)...
.
Manage
Haja Razafitrimo Saika hanitsy kely ny @ MSG sy Sulfites aho. Ary miala tsiny fa tsy nanao devoara. Atsy @ Food and Drug Administration (https://www.fda.gov/), na koa SAnte Canada (http://www.hc-sc.gc.ca/), dia raha ny @ MSG sy ny Sulfites, dia eken'ireo siantista fa azo hohanina (Generally Recognized as Safe), izany hoe, @ ankamaroan'ny olona, dia azo hohanina tsara ny MSG sy Sulfites. Nefa kosa, tahaka ny sakafo rehetra, dia misy koa olona allergique @ ireo.

Dia mamerina fialan-tsiny raha nizara resaka diso. Nefa koa, dia fianarana ho antsika rehetra io, alohan'ny hitenitenenana, dia jerena ihany aloha ahoana hoy ny Siansa; raha ny @ sakafo izany dia io FDA na SC ireo no "zaodahy mahay manefy".. ambara-piovany hevitra indray rahefa mandroso ny asa-pikarohana.
Manage
Haja Razafitrimo Ny malaza indray izao tato ho ato, dia ny SIRAMAMY. Misy (siantista) milaza fa ny siramamy anie ka toa ny sigara:
1- misy vokany manapoizina ny tena ny fihinanana azy (izaho izao raha vao misotro Coca dia lasa be taimaso). Fa hatrany @ saina koa no asi
any.
2- mahavoan'ny addiction ny fihinanana azy (izaho izao tena tsy maintsy mihinana mofomamy isan-kariva)

Fa izany hoe, ny Indostria manodidina ny siramamy dia tsy hanaiky korontanina @ izany "fikarohana" izany. Ary eo indrindra no mampieritreritra, satria misy foana "fikarohana" koa milaza fa tsy maninona ny siramamy.

Dia eo izany no mila mandinika ny tsirairay hoe, IZA no nanao ny fikarohana.. Efa hita ohatra t@ Indostrian'ny Sigara, fa zareo ihany no mamatsy vola hikarohana ny @ sigara, ary dia .. "voafantina" ny voka-pikarohana mivoaka, na nafenina ny voka-dratsy, na izay tsara ho azy ihany no navoakany.
Manage
Haja Razafitrimo Azonao vakiana ity lahatsoratra ity
http://fortune.com/2015/09/23/gmo-monsanto-chipotle-germany/
(hitako vokatry ny karoka gogola: GMO not food)


Ka ilay teknika izany dia efa anamboarana fanafody, na hormone na insuline, na enzyme na vitamine koa.. Ary efa ataon'ny Siansa io izao isika miteny izao, ary efa ahitam-boka-tsoa.

Dia io ho'a, dia tena mila "matoky zao-dahy mahay manefy" izaho sy ianao raha toa ka tsisy ny vaha-olana hafa (alternative)
Manage
Haja Razafitrimo Raha tia handalina i Andrianaivo, dia anaovy tsikaroka kely eny @ google sy youtube.. Inty ohatra momba ny "GMO technicality".. dia itaro avy eo ny tsikaroka.
https://www.youtube.com/watch?v=S36aE9_m_Xo

Manage
Haja Razafitrimo Elaela izay, dia be no nihorakoraka, fa kay hono asian-dry McDo, ohatra, "azodicarbonamide" ny sakafo. Dia hoe, toa plastique ampiasaina hita ao tapis-na yoga ireny koa hono ity kemikaly ity, ary tena azo hohanina koa hono, toa ny sira (NaCl) izay ampiasaina amin-javatra hafa isan-karazany koa. Ary hoy ny Food and Drug Administration (amerikana) hoe, azo hohanina tsara tokoany io azodicarbonamide io.

Fa raha izaho manokana aloha, dia manontani-tena ihany hoe, tena mila mihinana ity "azodicarbonamide" azany ve aho?

Misy namako izay miasa @ Indostrian'ny sakafo, Dia hoy izy, raha mena dorehitra tsara ilay fraise (@ confiture ohatra), na fotsy botsika ny gateau, dia ... kOpy ianao fa nasian-drizalahy kemikaly io. 

Satria tokoany mantsy, isika mpanjifa ihany anie no toa mitaky paoma tsy mora lO ohatra, na voatabia boribory tsara, na akondro maventiventy. Soa ihany fa (matetika) dia efa arahin'ny FDA na koa ny Eoropeana maso ihany aloha io.