Menu

Jul 20, 2017

Ny Homamiadana



Haja Razafitrimo Raha tia hanadihady resaka iray, dia atombohy any @ wiki, dia itarina avy eo
https://en.wikipedia.org/wiki/Chemotherapy


Ka ilay chimio izany, dia fihinanana fanafody izay mitily ireo sela mivaralila (cancereuse) mba hanagejana ny fitomboany isa. Mifototra @ reaction simika izany..
(ny radiotherapy indray dia mifototra @ fandefasana radiation atifitra @ ireo sela mivaralila)

Ny hoe fahombiazany @ fiadiana @ homamiadana, na chimio na radio, dia ... mila "mahatoky zaodahy mahay manefy" izany, fa ireo izao no misy dia atao.

Ny olana @ izy ireo, dia mbola tsy lafatra ilay izy:
- indraidray dia tsy hary ho matiny daholo ireo sela mivaralila
- ny "side effect" dia henjana be (mankarary akoriny aza).

Fa ny tantara mifandraika @ io izao dia:

- misimisy ihany ny dokotera, milaza fa raha izy no voan'ny homamiadana, dia aleony hono TSY atao an'ireo chimio/radio ireo, fa aleony maty milamina ampitiavana miaraka @ fianakaviany.

- misimisy ihany ny dokotera, mahita ny tsy fahafahan'ny medecine ankehitrio manasitrana (tanteraka), dia mamela ny olona handeha any @ "fitsaboana alternative". Na tapa-kazo tsy fantatra tsara ny fiasany io, na ohatra fotsiny mozika, na alika, mampitsiky ny saina, ary h@ finoanoam-poana mampanantena mirakla-mazia. Ny zava-dehibe hono, dia ny mampisy "fanantenana" @ marary.
Haja Razafitrimo Ny "ankoatr'ireo" (radio sy chimiotherapie) ve ry Rija?... ambara-paha aloha, araky ny resak'i Olivares io, dia, raha tsy hiditra@ resaka politikan'i Lanto, dia "prévention" no mila hiasana mafy ee.. Samy afaka manao an'io daholo ny tsirairay.

Raha ny fahazoako ny foto-dresak
a (homamiadana) aloha, dia ny sela ao anatintsika rehetra, dia mandalo @ ilay "tsy hay ny antony" eo, ary dia tonga dia mivaralila (lasa cancereuse). Lasa resaka lasantsy ilay izy (satria tena mbola "tsy hay mazava ny antony" mampivaralila ilay izy eo).

Dia tena mbola "tsy hay tokoany ilay antony", fanefa, rahefa jerena daholo ny manontolo (io ilay "approche holistique"), dia mahita tarataratra-na "correlation" (fa tsy "causalité), na koa "causalité indirecte" fa tsy "directe".

Eo izany no miditra ilay "approche holistique", na koa ny fianterana @ "eastern medicine", na koa izay "alternative" (toa ny resaka hafa itsy ambany itsy), ary dia "empirique" be ilay izy... (sahirana ny siansa eto).

Raha ny hevitro manokana aloha, dia mila mizoto @ ilay "hygiène de vie" efa noresahina taloha iny ihany raha te-ho tsara lasantsy ee...