Menu

Aug 25, 2017

Ny Fitiavana sy ny Fivavahana/Finoana

Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Finoana sy Fivavahana ao @ Serasera

rhaj0 - 15/08/2017 19:05
Samy manana ny tena mba tiany lazaina ny @ Fitiavana ny Fivavahana/Finoana isan'isany.
Inty nisy famintinana nataon'olo ny @ izany.


BAHAISME: Mon Amour atteindra celui qui m'aime véritablement.

BOUDDHISME: Cultivons un coeur d'Amour envers le monde entier.
(DALAI-LAMA: Love and compassion are necessities, not luxuries. Without them, humanity cannot survive)

CHRISTIANISME: Love your neighbor as yourself, Mark 12:31
(Andrianaivoravelona 12:31: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.)

CONFUCIANISME: La plus grande des bienveillances est d'aimer tous les êtres.

HINDOUISME: C'est à travers l'Amour que l'on peut le mieux adorer Dieu.
(YOGI BHAJAN: Where there is Love, there is no question.

ISLAM: Nous sommes petits face à l'immensité de Dieu. Ceci inspire l'Amour en nous.

JAINISME: Les jours profitent davantage à ceux qui ont agi avec Amour.

JUDAISME: Tu aimeras les autres comme toi-même.

SIKHISME: Ceux dont le coeur est rempli d'Amour seront inspirés.

SHINTOISME: L'Amour est le reflet de Dieu.

TAOISME: Indestructible est l'Amour pur.

VEDANTA: La connaisssance du soi est l'Amour.

ZOROASTRIANISME: Aimons le Seigneur comme Il nous aime.


Dia @ ireo Atheist indray, dia misy toa ny hoe:

ADAM SAVAGE: Rules do not make us moral. Loving each other makes us moral.

EINSTEIN: When there is Love, there is no imposition.
Peace cannot be kept by force; it can only be achieved by understanding.
Love is a better teacher than duty.

Richard A. Weatherwax: You do not need the bible to justify Love, but no better tool has been invented to justify hate.


rhaj0 - 16/08/2017 23:11
Ka nandeha tany amina Tempoly Hindou ho'a izaho t@ herinandro teo, nanatrika ny fotoam-pivavahany.

1- Niantomboka tamina oommmm ny fotoana. Izany hoe, mifoka rivotra tsara (respiration profonde), dia mamoaka izany miadana sady mi-oommmm daholo ny iray Tempoly... teo @ 5-10 minitra teo. (Samy mipetraka) toa ny manao yoga daholo @ io.

2- Dia nitohy tamina fisainana am-pahanginana (meditation) efa ho 30-40 minitra teo. Mikimpy ary samy manadio ny an'eritreriny ny mpahay azy (mpanao yoga) @ io.

3- Dia narahina hira mifamaly: miventy ny mpitarika, dia mamaly mamerina ny eraky ny Tempoly. @ teny sanskrit moa ny hira, fa ny bokikely teo dia nanome dikan-teny: midera ireo ivavahana isan'isany, ry Ganesha sy ry Vishnu ... teo @ 15-25 minitra teo

4- Dia nisy tori-teny. Ny nataon'ilay mpitarika, dia nosokafany fotsiny ny Boky, dia izay voasokatra teo no noresahiny. Dia ny noresahiny t@ ity dia ny Fitiavana, teo @ 15-25 minitra teo.

5- Dia notohizana tamina hira indray, ary nofaranana t@ fandrehetana ilay encens, ilay tsirakazo manitra ireny, nanodidina ny kisarin-dry Ganesh sy Vishnu ary ny Guru be tao. Dia ny encens avy eo, entina eraky ny Tempoly, dia toa samborin'ny tsirairay ny setroka avy eo, ary anondrahany ny lohany.


Fa ny tiako resahina, dia ny Fitiavana, araky notoriana tao @ Tempoly Hindou io teo.

Ny takatro t@ tori-teny dia:

1- ny fototry ny Fitiavana (Hindou) dia ny Fahalalana.

1a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao, ary dia tokony (tena) mitia ny tenanao ianao, mila (tena) mitia ny tenanao ianao. Raha tsy tia ny tenanao ianao, dia misy fiantraikany (ratsy) @ hitiavanao ny hafa izany.

1b- ny fahalalanao ny hafa indray, dia (afaka) mitondra ho azy @ fandeferana (tolerance) sy firaisam-po (compassion), ka mahatonga anao ho mora mitia ny hafa.

2- ny Fitiavana (Hindou) dia tsy mitady fameriny.
Ny ataonao @ hafa, dia tsy antenainao valiny (amour gratuit, benevole) ary tsy asianao fepetra (amour inconditionnel). Rahefa manome am-pahalalahana ianao, izay ilay am-pitiavana Hindou, dia ho sambatra.


rhaj0 - 25/08/2017 14:39
rhaj01a- Mila mahalala ny tenanao aloha ianao, ary dia tokony (tena) mitia ny tenanao ianao, mila (tena) mitia ny tenanao ianao. Raha tsy tia ny tenanao ianao, dia misy fiantraikany (ratsy) @ hitiavanao ny hafa izany.

Ka ny Fitiavana izany dia miainga @ "(Fahalalana sy Fitiavana) ny Tena". Raha mbola tsy milamina ianao sy ny tenanao, dia hisy fiantraikany (ary mety ratsy) foana izany @ fifandraisana sy fitiavanao ny hafa.

Dia eo no tonga @ ilay YOGA. Ny Yoga, raha ny fahazoako azy taloha, dia ilay mahay mamolapola-tena sady tena mahay manatony (calme) ny tenany. Fa toa izao no nohazavaina tamiko..


Ilay "filaminan'ny tenanao sy ianao" dia 1-ara-batana, 2-ara-fiaina, 3-ara-tsaina sy ara-po, ary ... 4-ara-panahy (méditation). Rakofan'ny Yoga daholo ireo. Ilay 4-méditation no tanjona farany, fa mandalo @ fanafolahana ny 1-vatana, 2-fiaina, 3-saina ary fo ilay izy, izay vao lafatra ny fahatongavana @ 4-ara-panahy (méditation).


1- mila milamina (confortable sy à l'aise) @ tenanao ianao, @ fipetraka isan-karazany (dans toutes positions). Io izany na mipetraka mifolapoaka mahazatra iny, na mitsangana, na akoriny aza, raha manao poirier (mipetraka @ loha). Ka dia eo izany dia toa ny manao zym (étirement+musculation) no ifampitaizana.

Ny voalohany izany dia fitaizam-batana. Eritrereto hoe, rahefa manao poirier ianao, dia miasa ny hozatra isan-karazany HAFA noho ny hozatra @ fahazaranao mitsangana. Mekanika ny vatantsika, ary nefa, raha tsotsorina, dia ohatra hoe, toa ny manindry havia foana isika. Izany no mahasimba haingana ny ilany haviantsiaka.

Fa rehefa voataiza ho milamina (confortable) io ny vatana,
- dia ho moramora kokoa ny manao méditation @ fipetraka isan-karazany: izay ny tanjona farany.
- ary afaka ny maha-araka (controle) ny vatanao ianao, @ fipetraka isan-karazany: mahalala ny vatanao ianao, ary afaka ny hitia ny vatanao (sy ny tenanao): izay koa ny tanjona lehibe farany.


Ho tohizana aoriana kely... Fa averiko kely fotsiny, fa ny an'ny Hindou eto izany, dia io "fitaizam-batana" io, izay dingana iray @ Yoga, dia
- raiki-tapisaka (incorporé - embedded) @ fitadiavanao Fitiavana... sy hasoavana sy hasambarana (bien-être),
- ary indrindrindra koa, raiki-tapisaka @ Finoana. Kifombafomba miaraka @ fivavahany sy finoany ilay izy.

rhaj0 - 20/08/2017 21:56
Tohizako kely indray ny an'ny Hindou.

Misy hetsika mirindra ataon-drizareo iarahabana ny Masoandro hono. Toa ireny "kata" ireny. Dia miantomboka @ miaina tsara sy lalina, dia mitohy @ fitaizana vatana toa ny mihenjana (etirement) sy miforitra sns.. Azo atao kisarisary hoe, toa manipy tanana any an-danitra, dia miankohoka indray koa ilay izy.

Nisy psy any @ sekoly iray izay teo niresaka tamiko. Dia hoz'izy hoe, ny mpianany izay stressé na angoissé ireny hono, dia ampirisihany hanao io toa "kata hindou" io, fa sady mitaiza ny vatany io no mampilamina ny sainy.


Dia izay mihintsy no fahitako azy. Ny an-drizareo Hindou, dia toa araikitra (incorporé) @ Finoany ny fitaizam-batana sy saina. Eto izany, dia ... sarotsarotra ihany ny hilaza @ Ankizy hoe, mandehana manao zym kely sy miaina tsara sy mandamin-tsaina rehefa isa-maraina, fa tonga dia tsotsorina fotsiny hoe, "mandehana mivavaka @ Masoandro".


Ary io no maha-samy hafa azy @ Kristiana. Ny Kristiana aloha dia tena zéro mihintsy @ fitaizana vatana/fiaina sy ny mampilamin-tsaina (meditation). Ny Judéo-chrétien dia.. ity mikimpy mafy toa constipé ity, dia ny mandohalika fotsiny sy mimenomenona (lamentation) lavarenibe no hany mba ataony. Ny Jiosy azany moa manakapokapoka loha @ ilay mur des lamentations-ny ao.
Raha ohatra hoe samy marary ao izany ohatra, dia izany ve dia hanampy hahasitrana?