Menu

Mar 18, 2018

Stephen Hawking

Notsongoina (dia nohavaozina) avy tatsy amin'ny Forum Finoana sy Fivavahana ao @ Serasera

rhaj0 - 15/03/2018 03:18
Ka dia nodimandry izany i Stephen Hawking. Isan'ny ngezalahy @ Siansa izy.
Ireto misy resaka na koa hoe eritreritr'i Hawkins zaraiko eto ..

Stephen Hawkins (8 January 1942 – 14 March 2018)
"There is a fundamental difference between religion, which is based on authority, [and] science, which is based on observation and reason. Science will win because it works."

"We are each free to believe what we want and it is my view that the simplest explanation is there is no God. No one created the universe and no one directs our fate. This leads me to a profound realisation. There is probably no heaven, and no afterlife either. We have this one life to appreciate the grand design of the universe, and for that, I am extremely grateful."

"Before we understand science, it is natural to believe that God created the universe. But now science offers a more convincing explanation. What I meant by 'we would know the mind of God' is, we would know everything that God would know, if there were a God, which there isn't. I'm an atheist."

"God may exist, but science can explain the universe without the need for a creator."

"The scientific account is complete. Theology is unnecessary." 


https://en.wikipedia.org/wiki/Stephen_Hawking#Religion_and_atheism
https://www.cnn.com/2018/03/14/world/quotes-stephen-hawking/index.html

rhaj0 - 15/03/2018 03:37
Da ity izany hono atao devoara raha te-hanita-tsaina. Izaho koa mbola tsy namaky fa hiezaka ee..


Stephen Hawking, A Brief History Of Time

http://www.fisica.net/relatividade/stephen_hawking_a_brief_history_of_time.pdf

rhaj0 - 18/03/2018 17:46
Ny fahalalana nentin'i Stephen @ Siansa moa izany dia ny momba ny trou noir.

Tany @ 1910-20s tany, dia efa niteny i Einstein fa misy io. Fa TSy nety, na hoe tsy te-hino an'izany ny kaomionitia siantifika. Efa taty @ 1960-70s vao lasa nandalina izany zareo, ary i Stephen no isan'ny lohandohany. Nahita (naha-observer) trou noir raolona, dia ireto trou noir be mitelina kintana (etoile).

Ny nentin'i Stephen, dia:

1- ny nampifandray ny trou noir, ilay goavana mpitelina kintana, sy ny big-bang.
Ny @ big-bang dia nisy "very dense matter" izay nipatitaka.
Ny trou noir indray, dia matière ni-collapse, ary lasa "very dense matter".

2- io trou noir io, rahefa mandeha ny fotoana, ary amina milliards d'années io an, rehefa mandeha ny fotoana, dia hoy Stephen hoe, hi-s'évaporer. Tombatomban'i Stephen io.

3- nanombatombana koa i Stephen fa misy ny "miniature/tiny/micro back hole".

Ny tombatombana (hipaotezy), na ny an'i Einstein t@ 1910-20s, na ny an'i Stephen ireo, dia mifototra amina matematika rezatra be. Ny an'i Einstein efa voamarina. Ny an'i Stephen mbola ... "work in progress".

Azo iverenana ireo teboka telo ireo, fa samia ange mi-gogola an'ireo ee..
(resaka reko izao izaho manoratra izao @ radio-canada no averiko io, fa handalina tokoany moa ao aoriana kely, ary afaka hanampy fanazavana + references)

rhaj0 - 18/03/2018 21:12
Aleo azany hoe mba hiezaka aho hanazava, araka ny fahazoako azy, ireo resak'i Hawking ireo. Raha misy na mahalala namana Physicist/Astronomer ianao, dia ndao hifanoro @ ity resaka ity, ka ahitsio na fenoy raha ilaina izay resako eto. Hotry ny mampisy aingam-mpanahy ahy ny nataon-dRatpkl, fa izy mantsy dia mpanely/mpizara fahalalana ("divulgateur"), niezaka ny hizara sy hanaparitaka ny fahalalana (Siansa) @ fomba ahafahan'ny maro mahazo ny resaka. Tiako mba zaraina @ teny gasy koa izany.

Ataoko eto @ lohahevitra Fivavahana/Finoana ity, satria tonga dia tsoriko : "handiso" ny fivavahana/finoana (rehetra) io resaka io. Mila ampahalalana an'izany ny mpanaraka ny fivavahana/finoana, mba tsy ho voambaka sy voazanak'ireo olombem-pinoana intsony ny Malagasy, na hoe mba tsy hanidy saina sy hamato-tena amina fahalalana diso sy mivoana lava ao.


1. Big-bang :

Raha mijery ny izao tontolo izao, sy t@ fotoana elaela talohan'ny androany (an-100 na 1000 taonany lasa, satria voatazona an-tsoratra ny fipetraky ny Tontolo), dia mahita fa mifanalavitra miha-mifanalavitra daholo ireo bolongan-draha goavana (objets celestes) eto @ Tontolo, dia ireo galaksia sy tambatra-na galaksia izany. Raha rohizina amina tsipika izany ny lalana (trajectoire) nodiavin'ireo bolongan-draha ireo, dia iaraha-mahita fa
- @ ho avy, dia vao mainka hifanalavitra ireo bolongan-draha ireo. Izay ilay hoe mihanaka mifanalavitra ny Tontolo (expansion de l'Univers)
- fa t@ lasa kosa, raha "ahemotra" ny fotoana, dia afaka ny hita fa toa ny niainga avy tamina "teboka" (na "point") iray ireo bolongan-draha na objets celestes goavana be ireo. Koa tokony eo @ io "point" io izany no nisy (niainga) ny tambatr'ireo objets celestes rehetra hita izao; ary dia mazava ho azy (?) fa tena "very densed matter" no nisy teo @ izay "point" izay.

Mazava ho azy fa TSISY "nahita" io "point" io, fa rahefa atao ny kajikajy matematika, dia satria fantatra ny lalana (trajectoire) sy ny hafainganam-pandeha (vitesse) an''ireo bolongan-draha @ ity "expansion" ity, dia voakajy izany fa efa ho tany @ 13.77 milliards d'années no niainga t@ io "teboka" io ireo raha (matières) eraky ny Tontolo no nipatitaka, ary dia io lasa ireo galaksia an-tapitrisany iaraha-mahita izao ireo. @ kajikajy matematika, dia rahefa aseho ny kisary (graphe) an'ilay fihanaky ny tontolo (expansion) io, dia "point singulier" (voambolana matematika) io teboka niaingana io.

Koa t@ 13.7 milliards d'années izany, dia azo tombatombanana fa avy teo @ io "point singulier" io no nipoaka ilay "very densed matter".

Izay no antsoina (tsotsotra) hoe "big bang".

rhaj0 - 22/03/2018 16:03

rhaj0Koa t@ 13.7 milliards d'années izany, dia azo tombatombanana fa avy teo @ io "point singulier" io no nipoaka ilay "very densed matter".

Izay no antsoina (tsotsotra) hoe "big bang".

Eto izany dia raha ny lojikan-javatra, dia misy ity "very densed matter" ao @ ilay "point singulier" tany @ 13.7 milliards d'années.

Dia miitatra ary mbola marobe ny fanontaniana. Dia inona no talohan'io 13.7 milliards d'années io? Avy taiza io "very densed matter" io?

Hoy ho'a i Hubert Reeves, tamina fandaharana reko t@ radio...
Ao @ io "very densed matter" io, dia mbola TSY hay aloha, @ izao ora izao,
a- inona marina no raha (matière) ao.
Iretsy @ sary io ambany io ve no kasinga ao, sa mbola hafa koa?
b- dia inona ny "interactions" misy eo @ ireo kasinga?
Mbola arak'iretsy Hery @ sary esty ambany koa ve?

Ka rehefa "tsy mbola hay" dia "tsy hay" izany, fa tsy terena hisy fanazavana izao dieny izao. Ho valian'ny zanantsika izany any aoriana. Efa betsaka ihany izay efa voavalin-dry Albert sy Stephen izay.

Fa raha miverina @ Stephen, dia eo indrindra no zavatra isan'ny nohalalininy: nitady teoria izay manambatra
- ny fahalalana ny bolongam-be, hazavain'ny "general relativity", sy
- ny fahalalana ny kasinga bilitika-kely, hazavain'ny "quantum mechanics".

Mbola be dia be ny mbola mila karohina sy halalinina, ary ifohazana maraina. Fa ny mahavelom-bolo aloha, raha ny fahitako azy, dia
- ny hazakazaky ny firosoan'ny teknolozia dia hanafaingana ny fikarohana sy fandalinana, ary hiitaran'ny fahalalan-draolona haingana kokoa
- efa maro ny mpikaroka an'izy ity; ankoatry ny ataon-dreo ao @ CERN ao Soisa ao izay mahavalalanina ahy aloha, dia na dia mieritreritra fotsiny hoe, tena maro ny olona mifototra mikaroka toa izany, fa tsy mihoboka na mivarina @ izao finoana(noam-poana) izao foana

https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/00/Standard_Model_of_Elementary_Particles.svg/300px-Standard_Model_of_Elementary_Particles.svg.png
https://qph.fs.quoracdn.net/main-qimg-2054e4abdf9ea2d0493f25358f5cd594-c

rhaj0 - 27/03/2018 20:03
Eto izany misy zavatra tena mbola tsy mazava ny aminy, dia ireo "points singuliers" :
- point singulier ilay "very densed matter" t@ big-bang, ary
- point singulier ireo trou noir, na ilay goavana mitelina kintana, na ilay kely (micro) notombanan'i Stephen.

Ka eto no miditra ny resaka matematika lalina kely sa lalina be. Resaka dimensions.

Miara-mahalala isika fa 3 dimensions ny tontolontsika. Axes x, sy y ary z.

Fa izao. Ndao anie raisina (supposons) ary alaina sary an-tsaina (imaginons) fa hoe, 2 dimensions fotsiny ny tontolo. Izany hoe raha mihetsika isika, dia miroso (axe y) na mitsivalana (axe x).
Ka raha ampiana iray ny dimension, dia rehefa miroso manaraka ilay 3eme dimension izany, dia io miakatra io... axe z.

Dia miitatra toa izay ilay izy. Ampiana iray indray ny dimension an'ilay tontolontsika izao (dimension 3: axe x, sy y ary z). Dia averiko fotsiny ilay fehezan-teny io ambony io.
Ka raha ampiana iray ny dimension, dia rehefa miroso manaraka ilay 4eme dimension izany, dia iny tafagorobaka any @ ilay ... "point singulier".

Mbola tsy hay io 4eme axe io, mbola tsisy (na)hita. Teboka. (fa ny zanantsika no hanazava azy). Fa ny tombatomban'i Stephen @ io moa, dia mi-"s'évaporer" ilay matière rehefa tafatsoropaka any. Na ilay trou noir goavana io, na ilay micro trou noir, na koa hoe, avy any no niavian'ilay "very densed matter" t@ big-bang.


izy k'lou no fahazoako azy. Ahitsio na ampio ry namana Physicist/Astronomist/Scientist.


Fa ny sampona, dia eo no mihoraka ny sasany, fa any @ io 4eme io HONO ilay "univers parallele". Raha manaraka ilay lojika io ambony io anefa, dia "TSY parallele" ilay 4eme dimension, fa fanampiny.

Dia ny mpino(minofoana) moa, tonga dia savihany ary dia akarapony ho ... @ io 4eme dimension io HONO ilay "fanahy", na koa hoe, dia @ izay mihintsy ny (revin')Andmntra.

izany hoe, raha toa ka TSy takatry ny hoza-doha ilay 4eme io, tsy hay ka atao ahoana azany, dia "izay tsy takatry ny hoza-doha" hafa rehetra, dia akapoky ny sasany (mpinomino foana) ho @ izany daholo....

(marihiko kely, fa raha kotiana ho 4eme dimension ny fotoana, dia lasa 5eme dimension izany ilay mankany mankany @ point singulier.)

rhaj0 - 27/03/2018 20:32

rhaj0izany hoe, raha toa ka TSy takatry ny hoza-doha ilay 4eme io, tsy hay ka atao ahoana azany, dia "izay tsy takatry ny hoza-doha" hafa rehetra, dia akapoky ny sasany (mpinomino foana) ho @ izany daholo....

io dia efa valin-ketsiky ny olona (mpinominofoana) foana.

Fony TSY takatry ny hoza-doha ny @ Masoandro sy ny Volana, dia hozy ny Baiboly hoe: napetak'Andrmntra toa ny punaises @ toile-n'ny Lanitra ireo Masoandro sy Volana ireo.

Fony TSY takatry ny hoza-doha ny ao ambany tany apotritran'ny Volcano, sy ny any ambony any, any ankoatry ny rahona, dia hozy ny Baiboly hoe:
@ ilay tsiranoky ny volcano no ampangotrahana na anendasan'i Satana ny mpanota, ary mitsingevaheva eny @ rahon'ny lanitra ny zanak'Andmntra.

Ny zanakao no hanazava anao an'izany. Toa izao ny fandehany rehefa harivariva eo ambodi-tokonana iny any aoriana any :
- Ianao rehefa antitra dia hitantara angano @ Ankizy, Ikotofetsy sy Imahaka, ary koa i Madame Eve.
- Fa koa, ianao rehefa antitra dia hihaino ny fanazavan'ny Ankizy ny @ ... 4eme dimension